«Hanao ny dingana rehetra izahay handavorariana ny hamerenan-kasina ny firenena sy ny eto Analamanga. Hodiovina sy esorina ny tsy mety. Alana ny faditra mba hiverenan’ny hasina sy hivelaran’ny fiainana ho an’ny taranaka fara aman-dimby», hoy ny avy amin’ny Vovonan’ny taranak’ andriana sy ny mpandala sy mpitana ny fomban-drazana, tetsy Maroho. […]
Auteur/autrice : Adnews
Haitao Zafimaniry : Hifotorana ny fampitana traikefa amin’ireo taranaka
Tsy mampiavaka ny Zafimaniry irery, fa hahafantarana an’i Madagasikara maneran-tany ny haitao vitany. Misedra olana maro ka mahavitsy ny mpanao asa tanana mifototra aminy ity seha-pihariana sady fanandrantana fahaiza-manao sy kolontsaina manokana ity. Inona ny tokony hatao mba tsy ho tapitra eo amin’ireo mpiangaly azy amin’izao fotoana ny haitao Zafimaniry […]
TSELATRA
Nahitana taolam-paty maromaro tao anatin’ny farihin’Andranomaimbo, fokontany Antsenakely, omaly maraina. Nofonosina tao anaty bodofotsy ireo taolam-balo ary nalatsaka tao anaty rano. Mpanala tsikafona no nahita ny tranga sy niantso tomponandraikitra. Taolan-dava avy amin’y razana telo no hita rehefa nosavaina. Taolam-paty efa misy may ihany koa izany. Tonga teny an-toerana ny […]
3 tapitrisa Ar lasan’ny jiolahy: Raim-pianakaviana maty voatifitra
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany Mangarano II, parcelle 11/47 Carreau 4 A, tany Toamasina, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Nirefodrefotra ny feom-basy. Notafihan’ny jiolahy miisa fito misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano iray. Novakiny ny varavarana ary niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo olon-dratsy. Nodarohan’ireo olon-dratsy […]
Natelin’ny ranomasina: Teratany vahiny hita faty
Raim-pianakaviana teratany vahiny hitan’ny fokonolona natsingevan’ny ranomasina tsy lavitry seranan-tsambo, amin’ iny Boulevard Ratsimilaho, omaly atoandro tamin’ny 1 ora. Nilalao ranomasina io lehilahy io ary nanararaotra nilomano mihitsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy hita tampoka anefa izy rehefa natelin’ny ranomasina taorian’izay. Minitra vitsy, natsikafon’ny ranomasina moramora ny vatan’io teratany vahiny io […]




