Auteur/autrice : Adnews

Prize money – Barea: «Efa milamina avokoa», hoy ny federasionina

Raha ny fanampim-baovao voaray farany avy amin’ny mpitantana eo anivon’ny Fe­derasionina malagasin’ny bao­lina kitra, tarihin’Andria­manampisoa Alfred dia efa milamina tanteraka ny fizarana ilay “prize money” ho an’ny delegasionina malagasy, nandray anjara tamin’ny fifaninanana Chan 2024. Samy nahazo ny anjarany na ny FMF, na ny mpilalao. Nitontaly 45 ny isan’ireo nisitraka […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, hihazo an’i Espagne, ny delegasionina malagasy hiatrika ny fifaninanana izay ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Junior. Fifanintsanana hanomboka ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, any an-toerana, izany. Araka ny fikarohana natao, handeha amin’ny Youtube avokoa ny lalao hatrehin’izy ireo. Tonga nanotrona ny […]

“Battle for Africa”: Hiatrika ny ady miverina i Jerry

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Maorisy, ny andiany voalohany tamin’ilay fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay thai. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara, tamin’ny alalan’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nandresy ilay Maorisiana […]

Rugby– “Africa Women’s Tournament” : Iray vondrona amin’i Tunisie sy i Egypte ny Makis Ladies

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny rugby lalaovin’olona 7 indray ny Makis ladies. Hiady ny tapakila hiatrehana ny World Challenger Series izy ireo. Ekipa magrebianina roa no miray vondrona amin’ny Malagasy dia i Tunisie sy ry zareo Egyptianina. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Nai­robia, Kenya, ny […]

Kaominina Antetezambaro : Notolorana zana-trondro tilapia 8 000 isa

Notoloran’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsi­nanana zana-trondro Tilapia miisa 8 000 isa ny tao amin’ny kaominina Ambanivohitra An­tetezambaro, distrikan’i Toa­masina II, faritra Atsinanana, ny 20 oktobra 2025 lasa teo. Narotsaka tao amin’ny Lakandranon’i Pangalana Avaratra ny 6 000 isa, raha toa ka tany amin’ny fari­hin’ Ifontsy […]