Raim-pianakaviana hita faty niaraka tamin’ny aroloha fampiasa mitondra moto teny Ifarihy, distrikan’Atsimondrano, omaly. Mpandalo handeha hiasa maraina no nahatsikaritra io lehilahy io, nitsirara tamin’ny tany. Niosin-dra sady simba tanteraka ny faritry ny tavany. Navelan’ireo olon-dratsy tsy lavitry ny toerana fanaovam-biriky izy. “Tsy mponina ety an-toerana io hita faty io”, hoy […]
Auteur/autrice : Adnews
Ambalavao Isotry : Lehilahy iray tratra nangarom-paosy
Voasambotry ny polisim-pirenena tetsy Ambalavo Isotry ny lehilahy iray, 18 taona, afakomaly hariva. Tratra nangarom-paosy mpandeha iray teny an-toerana izy. Lasibatry ny asa ratsy nataony tamin’izany ny vehivavy iray, 20 taona, hamonjy fodiana. Very tamin’izany, ny finday marika Infinix Smart 5 tao anaty poketrany. Niantso vonjy avy hatrany ity niharam-boina […]
Miverina ny asan-jiolahy ao Betroka: Zandary efatra maty voatifitra, nifandona tamin’ny dahalo
Lavo am-perinasa ny zandary miisa efatra tao Betroka, omaly maraina. Tompon’antoka tamin’izany ny andian-dahalo an-jatony Mpitandro filaminana miisa efatra niara-namoy ny ainy nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Tanandava, kaominian Isoanala, distrikan’i Betroka, omaly maraina. Dahalo an-jatony nitondra fitaovam-piadiana nanafika tanàna. Nentin’izy ireo ny omby an-jatony ny alin’ny alakamisy hifoha […]




