Mitohy ny fampitandreman’ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) manoloana ireo misoloky sy misandoka izany asa izany. Nambaran’ny filohany, i Monica Rasoloarison tetsy Ambohidahy fa anisan’ny fepetra horaisina ny fanesorana ny mari-pamantarana azy ireny «Brassard» sy ireo marika hisandohana fa mpanao gazety. «Tsy azo idiran’olon-kafa ity asa ity ary […]
Auteur/autrice : Adnews
Firosoana amin’ny fanelanelanana : Miantso ny tsy hifampihantsiana ny FFKM
Namoaka fanambarana amin’ny firosoan’ny fanelanelanana ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Manahy sakana amin’izany anefa izy raha tsy tanteraka ny fepetra tokony harahina. «Efa miroso amin’ny fanelanelanana amin’ireo ankolafin-kery samihafa ny FFKM izao. Tsy ho tontosa anefa izany raha tsy misy fitoniana», hoy izy ireo. Nanaovan’ireo filoham-piangonana antso avo ny rehetra […]
VAOVAO TAMBATRA
Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fiharian’ireo mpivarotra sy mpitatitra, omaly. Ny maraina ihany anefa no ahitana izany fa voaelingelina indray ny tolakandro, indrindra ny eny amin’ny manodidina an’i Mahamasina, Anosy, Anosibe, sns. Mihavitsy ny taxi-be satria tsy azo andehanana ny eo Analakely, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Vitsy ihany koa […]
Fambolena orge ho an’ny Star: Mampidi-bola 10 miliara Ar ho an’ny tantsaha
Anisan’ny akora fototra ilain’ny ozinina Malto, an’ny orinasa Star, amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny voan’ny zavamaniry orge. Miezaka manjifa ny vokatra eto an-toerana ny orinasa mba hitondra fampandrosoana eny ifotony. Nisafidy ny hiara-kiasa amin’ny Malagasy tantsaha maherin’ny 20 000, hamboly orge, ny ozinina Malto hatao vadim-boly sady ho fidiram-bola fanampiny, na dia […]
Jono : Mikatona ny fitrandrahana drakaka
Namoaka didy ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga. Voarara ny fanjonoana, ny fananagonana, ny famatorana, ny fividianana, ny fitaterana, ny fitahirizana ary ny fanondranana any ivelany ny drakaka amin’ny endriny rehetra. Mihatra ity didy ity mandritra ny roa volana, manomboka ny 16 oktobra hatramin’ny 15 desambra 2025, […]




