Auteur/autrice : Adnews
Karate-Afrika Atsinanana : Nahazo Medaly volamena 1 sy alimo 2 ny Malagasy
Tontosa ny 28 hatramin’ny 30 mey lasa teo, tany Nairobi Kenya, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, faritra Atsinanana, taranja karate. Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy fa na dia vitsy aza ny nisolo tena an’i Madagasikara, vokatra tsara no azo. Medaly volamena 1 sy alimo 1 no norombahan’ny karatekas malagasy. Tamin’ny alalan-dRavelonarivo […]
Rugby vehivavy – CAN 2026: Gisitra sady mivarina sokajy ny Makis Ladies
Tena ratsy ny vokatra azon’ny Makis Ladies, nandritra ny Can 2026 taranja rugby ho an’olona 15. Faharesena intelo, tamin’ireo lalao telo nataony no vitan-dry zareo. Gisitra ny Malagasy ary mivarina any amin’ny sokajy ambany, amin’ny taona 2027. Tontosa omaly, tany Nairobi Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby […]
INDRAY MIJERY
Tontosa ny famaranana ny ampahibemaso ho fandraisana ireo mopampianatra ho mpiasam-panjakana, eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Mpiasa tsy raikitra miisa 250 izay efa niasa eo anivon’ny minisitera sy ireo toeram-pampianarana no voakasik’ity dingana notanterahina amin’ny fomba mangarahara ity. Nanomboka ny 11 mey lasa teo, nitety ireo […]
Fananahana ara-pahasalamana : Nitafa niaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka
Nikarakara adihevitra ho an’ny fianakaviana mahakasika ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana fiterahana ho an’ny fianakaviana ny fikambanana Fianakaviana Sambatra, ny faran’ny herinandro teo ,teny Ambatomitsangana. Lohahevitra niompanan’ny dinidinika ny hoe : « Tanora tompon’andraikitra sy fianakaviana voaaro manorina fiarahamonina sambatra ». Fianakaviana efatra, nahitana ray aman-dreny sy ny zanany no nifanakalo hevitra […]




