Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny fananana fotodrafitrasa hampandrosoana ny fiainam-piarahamonina. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fidiovana mandritra ny fadimbolana (JMHM), ny 28 sy 29 mey teo, tany Tsiroamandidy, faritra Bongolava. Fotoana iray nanentanana sy nanamafisana ny fiaraha-mientana mahakasika ny olana sy ny fanamby mifandraika […]
Auteur/autrice : Adnews
Fandriana : Atao lalam-pamokarana ny 40 km
Maro ny tohana omen’ny fandaharanasa Defis any amin’ny distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’i Mania. Anisan’izany ny fanamboarana ny « Lalam-pamokarana », mirefy 40 km, notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Ramindo Gaëtan, ny 23 mey teo. Voakasik’ity asa fanarenana ity ny lalana […]
Moris-Mada Business: Hanamafy orina ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy
Hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Maorisy ny hetsika « Moris-Mada Business », andiany voalohany atao eto amintsika ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay. Miara-misalahy ao anatin’izao ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Maorisy Madagasikara (CCIMM), ny Federasionin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Madagasikara (FCCIM) ary ny African Indian […]
FANTINA sy FINTINA
Sambany amin’ny tanànan’Antananarivo no nisy PDS tsy manana mpanara-maso, araka ny nambaran’ny mpanolotsaina teo aloha, Ravololomanana Lalatiana. « Ao anatin’ny tsy ara-dalana isika izao. Maromaro ireo PDS nandalo teo fa hafa ny amin’izao fotoana izao », hoy izy. Tsiahivina fa rava sy niongana koa ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo. Niantso fiombonana sy firaisankina […]
Ceni : Hatsangana ny rafitra maharitra fifampidinihana
Nafana ny adihevitra, tsy ampy ny fotoana… Izay no tsapa sy niainana nandritra ny fikaonandoha savaranonando nokarakarain’ny Ceni nandritra ny hateloana teny amin’ny CCI, Ivato, nifarana afakomaly. Manoloana izany: “Nanapa-kevitra ny Ceni hanohy ny fomba fiasa mangarahara sy andraisan’ny rehetra”, hoy ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny […]




