Auteur/autrice : Adnews

Oniversiten’i Vakinankaratra: famoahana ireo mpianatra nahazo diplaoma

Notanterahina tao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra, Antsirabe, ny zoma lasa teo, ny famoahana ireo mpianatra nahazo ny diplaoma voalohany nomen’ity sekoly ambaratonga ambony ity. Tonga nanatrika izany, sady nanome voninahitra ny lanonana, ny Fiadidiana ny Fanavaozana, tamin’ny alalan’ny Mpanolo­tsaina avo, ny Kly Rampa­narivo. Fantatra fa ny Oniver­siten’i Vakinankaratra irery no Oniversitem-panjakana […]

Fanampiana ny traboina: nanolotra vary sy fanafody ny ejypsianina

Nanolotra fanampiana, ahitana sakafo sy fanafody vita avy any Egypta, ny Repoblika arabo-egyptianina, omaly, teny Andrainarivo. Tamin’ny alalan’ny masoivohony eto amintsika, Rabab Said Abdou Abdelhadi, no nanatanterahana izany. Naterina eny amin’ny BNGRC avokoa ireo fanampiana milanja 6t mahery ka ny tomponandraikitra ao no hitsinjara azy ho an’ireo olona mbola marefo […]

Taratry ny kanto

Havoaka rahampitso ny boky « Le régime de transition à Madagascar de 1972 à 1975 ». Niarahan’i Lahiniriko Denis Alexandre sy Rasoloarison Lalasoa Jeannot nanoratra izy ity, hampahafantarina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, amin’ny 10 ora maraina. Samy mpahay tantara ny mpanoratra, izay nandalina ny fiainam-pirenena tamin’ny vanim-potoana maro nolalovana, indrindra ireo nafampana. […]

Haino aman-jery: feno 30 taona ny Radio Don Bosco

Manamarika ny faha-30 taona nijoroany ny Radio Don Bosco amin’ity taona ity. Nambaran’ny tale mitantana izany, ny mompera Randria­miandrinarivo Franck, fa mifototra amin’ny fotom-pampianarana katolika sy ny fitoriana ny evanjely ny onjam-peo. « Manabe mpihaino, indrindra ny tanora mba ho olom-banona sy mendrika», hoy izy, ny herinandro lasa teo, teny Ivato. […]

« Fanilo Voice 2026 »: nifanandrinan’ireo mpifaninana ny “battles”

Mpifaninana 100 no tafakatra tamin’ny dingana faharoa an’ilay fifaninanana « Fanilo Voice 2026 ». Hiatrika ny ampahefa-dalana izy ireo. Niditra tamin’ny dingana faharoa. Taorian’ny dingana fifanitsanana notanterahina ny 13 sy 14 jona teo, mpifaninana 100 tamin’ireo 210 nisoratra anarana no tafakatra tamin’ny dingana faharoa tamin’ilay fifaninanana “Fanilo Voice 2026”, notanterahina ny faran’ny […]