Auteur/autrice : Adnews

Zotram-pifidianana : fitoriana roa no voarain’ny HCC

Efa misy fitoriana roa avy amina kandidà voarain’ny eto anivon’ny HCC, hatramin’ny omaly, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsara­na avo momba ny Lalàmpa­norenana (HCC), Ranesa Fi­riana, teny Ambohidahy, omaly, momba ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Karazana roa ny fifanolanana momba ny fifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna. Eo ny amin’ny zotram-pifidianana amin’izay tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra na ny androm-pifidianana […]

Ankadikely Ilafy : tantsaha 52 hanatsara ny fambolem-bary

Nisitraka zezika manaraka ny fenitra hanatsarana ny fambolena amin’ny ankapobeny ny mpamboly 52 avy ao amin’ny fokontany enina, anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. “Efa nisitraka fampiofanana manokana ireo tantsaha ary nisy ny sivana nahafahan’izy ireo nisitrika izao tosika hanatsarana ny fambolena izao”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàn’Ankadikely Ilafy, Rija Rajaonah. […]

Fandalovan’ny sambo INS Sharda : nahazo fitsaboana maimaimpoana ny mponina ao Antsiranana

Toy ny fanaon’ireo sambo mpiady Indianina manefa iraka aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, niantsona ao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana ny sambo mpiady INS Sharda, ny 17 hatramin’ny 20 novambra 2023 lasa teo. Misy hatrany ny fifandraisana amin’ireo tomponandraikitra amin’ny fandalovan’izy ireo toy izao satria mandritra ny fiantsonan’ireo mpitsabo ao anatin’izany sambo izany […]

Marovoay: Kaominina 3 nahitana lefakozatra

Nidina haingana any Ma­rovoay ny tomponandraikitry ny fahasalamana foibe nanao fanentanana manokana amin’ny ady amin’ny aretina lefakozatra . Fantatra fa kaominina 3 any an-toerana no ahitana ny trangana lefakotra indray. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Marovoay Ambonivohitra, Marovoay Banlieu ary ny kaominina An­kazomborona. Nihaona mivantana tamin’ny tomponandraikitra eny ifotony ny […]

CUA-OIF: Andiany faharoa ny fizarana kopia faobe

Natomboka tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, omaly, ny hetsika kopia faobe andiany faharoa, karakarain’ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) sy ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA). Ankizy miisa 1 350 indray no hisitraka izany ao amin’ny boriborintany voalohany ka ireo izay latsaky ny 18 taona rehetra dia afaka mahazo izany kopia […]