Efa misy fitoriana roa avy amina kandidà voarain’ny eto anivon’ny HCC, hatramin’ny omaly, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ranesa Firiana, teny Ambohidahy, omaly, momba ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Karazana roa ny fifanolanana momba ny fifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna. Eo ny amin’ny zotram-pifidianana amin’izay tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra na ny androm-pifidianana na ny fikirakirana voka-pifidianana teny amin’ny birao fandatsaham-bato na vaomiera mpanisa vato eny anivon’ny distrika (SRMV). Nanomboka ny 17 novambra, izay taorian’ny andro fandatsaham-bato, ny fitoriana amin’izany, ary mifarana amin’ny andro amoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika: anio izany. Manomboka
amin’izany kosa ny fitoriana momba ny voka-pifidianana, anio izany, ary mifarana 48 ora aorian’izay.
Mametra ny lalàna fa anatin’ny sivy andro aorian’ny fanambaran’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika no tsy maintsy hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy. “Tsy maintsy manaraka an’izay voalazan’ny lalàna izay ny HCC”, hoy izy. Amin’izao, efa mihoatra ny 50 % amin’ny asa no vitan’ny HCC. Misy fanavaozana manokana ny fikirakirana amin’ny haitao ara-kajy mirindra amin’ity fifidianana filohan’ny Repoblika ity. Nohamafisina tanteraka ny fiarovana ny voka-pifidianana. Mba hialana amin’ny mety ho fanovaovana izany. Azo antoka tanteraka amin’izao ny haitao ampiasian’ny HCC amin’ny fikirakirana voka-pifidianana.
R. Nd.




