Auteur/autrice : Adnews

Filoha Rajoelina Andry : nitondra ny teny fiarahabana ny filoha Sinoa, i Xi Jinping

Mbola manao ranolava hatrany. Anisan’ireo filoham-pirenena niarahaba ny filoha Rajoelina Andry, amin’izao fe-potoam-piasana faharoa hitantana ny firenena izao ny filohan’i Sina, i Xi Jinping. Nivoitra tamin’izany taratasy firariantsoa izany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, ho amin’ny fampandrosoana. “Vonona izahay ny hiara-hiasa amin’ny filoha Rajoelina Andry […]

Kamiaobe nivadika…: olona efatra maty voatsindrin’ny entana

Olona efatra indray maty vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ambatolampy, fokontany Morarano, kaomi­nina ambanivohitr’i Saroba­ratra, distrikan’i Tsaratanana RN33A, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Teo amin’ny 2 km mialoha amin’ny lalana mihazo an’i Tsaratanana no nitranga ny loza. Kamiaobe iray mpitatitra vokatra mampitohy an’ Ambondromamy sy Tsarata­nana ity namoa-doza ity. Feno […]

TSELATRA

Naratra mafy ireo mpianaka nianjera tamin’ny taxi-be omaly maraina teny Anosibe. Teo am-pidinana ny taxi-be izy mianaka no nandeha tampoka ny fiara ka nianjera tamin’ny arabe. Naratra teo amin’ny lohany ilay raim-pianakaviana ka voatery nentina haingana tany amin’ny dokotera. Na teo aza anefa izany avotra soa aman-tsara ihany izy mianaka. […]

Mpanao fanafihana, mpaka an-keriny… : maty voatifitry ny zandary tao Andilamena i Thierry

Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifanenjehana tao Andilamena, afakomaly, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Rakoto­velo Samuël Thierry na i Thierry. Tompon’antoka tamina halatr’omby tao amina fokontany Tsaratsabo, kaominina ambanivohitr’i Tanananifololahy, ny taona 2016, ity dahalo ity. Nambaran’ny zandary fa lehiben’ny tambajotran-jiolahy mpampihorohoro efa nigadra izy saingy nanohy ny […]