Auteur/autrice : Adnews

Antonony ny kalitaon’ny rivotra : ho maina eto afovoan-tany

Nisy fivoarana tsara ny kalitaon’ny rivotra eto An­ta­na­narivo vokatry ny rotsak’ orana tao anatin’ny andro ma­romaro nifanesy. Mbola avo roa na telo heny amin’ny fenitra farany ambony voalazan’ ny Sampandraharahan’ny Fi­re­nena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ihany ny fivangongoan’ny akora madinika mandoto ny rivotra iainana. “Antonony ny kalitaon’ny rivotra ho […]

Fanampiana ara-tsosialy: olona sahirana miisa 200 nisitraka sakafo

Miisa 200 ireo olona sahirana ara-pivelomana nisitraka sakafo masaka ny faran’ny herinandro teo.  Hetsika nokarakarain’ny fikambanana ma­no­lo tanana natao tetsy amin’ ny Akany Fialofana Am­bodin’ Isotry. Akany, hipetrahan’ireo olona tsy manan-kialofana sy mirenireny eto Antananarivo izy io, tantanan’ny Ministe­ran’ny mponina. Nozaraina «Riz cantonais» sy hena baolina izy ireo nandritra izany. […]

Oniversite FJKM Ravelojaona: Andiany Ilo, mpianatra 289 nahazo diplaoma

Manetriketrika ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana ka nahazo dilaoma tao amin’ny Oniversite FJKM Ravelojaona (Onifra) izay notanterahina teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Miisa 289 ireo mpianatra nisalotra ny andiany Ilo ka nahazo ny diplaoma Licence sy Master rehefa nianatra nandritra ny taona maro. Nitsinjara tamin’ ny lalam-piofanana samihafa […]

Akaiky fety: mahaliana ny vehivavy ny fikarakarana volo

Rehefa volon’andro fety toy izao, maro ny vehivavy mikarakara volo: manatsotra, mandoko, manao “curly”, sns. Ilaharana ny toeram-panaovam-bolo sy tarehy eto an-dRenivohitra, raha ny fanadihadiana natao. “Mila fantenina tsara ny “salon” hidirana mba tsy hanimba ny volo sy ny tarehy”, hoy ireo nanontaniana. Manomana vola manokana hikarakarany ny endrika amam-bikany […]