Auteur/autrice : Adnews

Niakatra ny isan’ny tranga sy ny faritra: 229 ny tranga vaovao, iray lavon’ ny Covid-19

Mila mailo ny rehetra fa mbola mitoetra eto amintsika ny valanaretina Covid-19 ary mamono mihitsy. Tokony samy hanaja ny fepetra tsy hiparitahan’ny tsimokarertina ny isam-batan’olona. Nisy mararin’ny Covdi-19 iray indray maty tao anatin’ny herinandron’ny 26 novambra ka ha­tra­min’ny 2 desambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-bahoaka, omaly. Roa ny […]

Karate: samy hitondra fanazavana i Solofo sy i Emile

Hitodi-doha hiverina eto Madagasikara ny delegasiona malagasy avy amin’i Solofo Barijaona sy i Emile, rehefa avy niatrika ny fiadiana ny tom­pondaka natao tany Durban, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ho samy manan-kambara hanazavana ny toe-draharaha nisy tany an-toerana ny andaniny sy ny ankilany, amin’ ny fahatongavan’izy ireo ra­hampitso, izay inoana […]

Judo – Grand Slam de Tokyo: Resy tamin’ny Ippon i Lova Mahaisoa

Nifarana omaly, tany Tokyo Japan, ny fifaninanana « Grand Slam de Tokyo »n taranja Judo. Tsy nahomby ny solontena malagasy nandray anjara, Randrianasolo Lova Mahai­soa, izay nihintsana tamin’ny dingana voalohany, tamin’ny alalan’ny Ippon, nanoloana ny mpifanandrina taminy, i Sto­dolski Adan, judokas Polo­nais, sokajy latsaky ny 73 kg. Judokas tokana nifaninana […]

Cross-Country – «Mada 2022»: ho any Aostralia i Clement sy i Nathalie

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2022, eo amin’ny ta­ranja Cross-country i Vonina­hitsy Clement, atletan’ny Cosfa Analamanga sy Rasoa­niaina Nathalie avy amin’ny Cami Itasy. Araka izany, hi­solo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hatao any Bathurst Aostralia, ny 18 fe­broary 2023 izy ireo. Ireo no vokatry ny fifaninanam-pirenena, notanterahina […]