Tsy ahina amin’ny fahasalamana ny fitrandrahana ambanin’ny tany. Manamarina izany ny géologue Valiarimanana Jean-Pascal. Niasa tamin’ny sehatra ambanin’ny tany efa maherin’ny 20 taona i Valiarimanana Jean-Pascal. Manampahaizana amin’ny jeolojia sy ny harena an-kibon’ny tany. Nivoaka teny amin’ny oniversite Vontovorona, sady manana diplaoma MBA amerikanina. Mitazona andraikitra any amin’ny orinasa mitrandraka […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Tohizana ny famatsiana solika ho tahiry ho an’ny orinasa Jirama hiantohana ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Efa ho iray volana izao no miaina anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ny mponina. Mitombo isan’andro ihany koa ny faharetan’ny delestazy raha toa ka voalaza fa ho ora roa isan’andro izany. Ankehitriny, mananika ny ora enina […]
Tetikasa fihariana: Mitety faritra mampahafantatra ny fandraharahana
Napetraky ny fanjakana hanohanana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fihariana. Nanomboka ny taona 2019, nahatratra 87 000 ny nahazo tohana taminy, manerana ny faritra 23, nahazo famatsiam-bola mitentina 199 miliara Ar. Disitrika 4 (Sambava, Antalaha, Andapa, Vohemar) any Sava, no nandehanan’ny ekipan’ny Fihariana ny 20-24 mey teo. Nohainoina ny filan’ny mpandraharaha, […]
Fitaterana: Fiaraha-miasa Airtel Money sy ny Taxi-moto
Maherin’ny 2 000 ny mpikambana ao anatin’ny VMTM, izay ankatoavin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Vita sonia ny 31 mey teo ny fiaraha-miasan’ny Airtel Money amin’ ny Vovonana mpitatitra taxi-moto mailaka (VMTM). Mifantoka amin’ny fanomezana akanjo fanamiana miisa 1 000 misy famantarana, sy karatra Sim miisa 2 000 efa misy kaonty Airtel […]
Fitrandrahana : Ambatovy, orinasa mpitrandraka tomponandraikitra
Nampahafantatra ny anjara asan’Ambatovy eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy nandritra ny varavarana misokatra nataony teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, ny orinasa, ny 3 ka hatramin’ny anio 7 jona. Nozaraina ireo fanamby atrehin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara sy ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny toekarena. […]