Havokavoky ny karazan-javamananaina eto Madagasikara ny faritra Sofia. Resy lahatra ny talem-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) any an-toerana, ny Dr Manantsoa Clermond, fa tombontsoa maro no ateraky ny fiarovana azy ireny, toy ny ala honko. Manan-karena amin’ny lafiny tontolo iainana ny faritra Sofia. Faharoa, midadasika indrindra, aorian’Atsimo Andrefana. Mahatratra 450 […]
Auteur/autrice : Adnews
Famokarana tongolo: Ividianana fitaovana ny tombom-barotra
Mananosarotra ny fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo mpamokatra tongolo enti-mampiroborobo ny famokarana. Sakana ny fahazoana fampitaovana hanatsarana ny fihariana, voatery atao sorona ny tombom-barotra ahafahana misitraka fitaovana sy fotodrafitrasa. Mazàna, sakana ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana ny olan’ny famatsiam-bola sy ny fitaovana enti-miasa. « Ho an’ny mpisehatra amin’ny tongolo dia voatery ny […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny velakevitra momba ny haisoratra, hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ireo andrarezina amin’izany no hitarika, ahitana an’i Jean Nalisoa Ravalitera, hamakafaka ny lohahevitra « Literatiora marolafy, mifanaraka amin’ny vanim-potoana », sy Ranoe, hitondra ny « Mpanoratra marojery mandrafitra zavakanto». Hiverina hiaraka an-tsehatra ve ry zareo […]
Fiaraha-miasa MCC – Filatex : Nahazo jiro ny zaridain’Anatirova
Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana. Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera amin’ny alalan’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (Ormada) sy ny vondron’orinasa Filatex. Mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa fanazavana ny zaridaina sy ny lalana ao Anatirova izany, amin’ny alalan’ny fametrahana jiro mahenika […]
Rossy : « Hetsika mampivondrona ny Tapôlakaglady »
Hiverina ny « Tapolakaglady »! Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny tarika Rossy, indrindra ireo efa niaina ny hetsika, izany. Ivoizana soatoavina, dia ny fampivondronana izy ity. «Glady, midika hoe goavambe. Any amin’ny fitaovana aloha, mpiandraikitra ny fanamafisam-peo raitra sy matanjaka eto Madagasikara ireto mivondrona ireto. Toraka izany koa ny lafiny kilalaon-jiro, […]