Auteur/autrice : Adnews

MUSEA: olona 2 000 efa nisitraka ny fandaharanasa amerikanina

Tanjon’ny fikambanana MUSEA ny hampita ny soatoavina amin’ny tanora malagasy : fanetren-tena, fahitsiana, tamberin’andraikitra ho an’ireo izay vonona hisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikanina.     2 000 eo ho eo ireo olona nisitraka ny fandaharanasa natolotry ny governemanta amerikana, mivondrona anatin’ny “Madagascar-United States Exchange Alumni (MUSEA)”, tohanan’ny masoivoho amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro. […]

15 Taona aty aoriana: tafaverina indray ny « Revy vazo miteny »

Tanterahina rahampitso tolakandro, eny Antsahamanitra, ny fampisehoana  « Revy sy vazo miteny ». Ireo Malagasy kintan’ny vazo miteny, Princio sy Rah Ckiky ary Samoela no hifandimby hampifaly ireo mpankafy vazo, mandritra ity fampisehoana ity. Hampiavaka izany ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto. Vonona ny rehetra hanome ny tsara indrindra, mendrika ny mpankafy vazo miteny, […]

Kolontsaina sy serasera: misokatra ho an’ny rehetra ny Mozean’ny haino vaky jery

Toerana iray ahafahana mitaratra sy mamantatra ny lalana nodiavin’ny haino vaky jery teto Madagasikara ny eny amin’ny Havoria Anosy. “Hamela mamy ho an’ny taninjanaka”. Fanatanterahana io vinan’ny filoham-pirenena io no anisan’ny antony nananganana izao fotodrafitrasa izao. Tontosa omaly, teny Anosy, ny fitokanana ny Havoria: “Auditorium” sy mozean’ny haino vaky jery […]

« Kitranotrano »: hanasongadina ny « diorama » i Indie sy i Yves R.

Kanto hafakely ! Mpahay zavakanto samy manana ny talenta mampiavaka azy i Indie sy i Yves Robinson. Hanomboka amin’ny talata 12 septambra izao ka hatramin’ny 21 oktobra, ao amin’ny Institut français de  Madagascar (IFM) Analakely, hifameno ireo. Tsy naka lavitra fa teto an-drenivohitra no nanaingana ny famolavolana. Tsy fahita firy ny […]

Taratry ny kanto

Hanatanteraka seho any Bordeaux ny tarika Baobab, ao amin’ny efitrano Le Forum, ny sabotsy 21 oktobra izao manomboka amin’ny 8 ora alina (ora any an-toerana). Raha tsiahivina, tarika mamerina sy mamelona indray ireo kalon’ny omaly ny Baobab. Kajian’izy ireo fatratra ny tsy hanova ny aingampanahim-pamoronan’ny tompon’ny hira. « Les Samedis du […]