Taratry ny kanto

Hanatanteraka seho any Bordeaux ny tarika Baobab, ao amin’ny efitrano Le Forum, ny sabotsy 21 oktobra izao manomboka amin’ny 8 ora alina (ora any an-toerana). Raha tsiahivina, tarika mamerina sy mamelona indray ireo kalon’ny omaly ny Baobab. Kajian’izy ireo fatratra ny tsy hanova ny aingampanahim-pamoronan’ny tompon’ny hira.

« Les Samedis du Fondation H”. Atrikasa fanenomana indray no hatrehin’ireo ankizy, eny amin’ny Fondation H, anio, ao anatin’ny hetsika « Les Samedis du Fondatio H ». Tanjon’ny hetsika ny hampahafantarana sy hampiroborobona ny asa tanana sy ny haikanto.

“Festival Temps Fort Danse”. Hianoka fampisehoana sy fizarana traikefa avy amin’ny Compagnie Yvann Alexandre, avy any Frantsa, ny mpankafy dihy, ao anatin’ny “Festival Temps Fort Danse”. Ireto farany, araka izany, no hanafana ny sehetra eny amin’ny IFM Analakely, amin’ity anio tolakandro manomboka amin’ny 3 ora, ity.

“Rhapsodie Picturale”. Tontosaina eny amin’ny Galerie Mozaik-Antsahabe, manomboka ny talata 12 septambra 2023 hatramin’ny 27 septambra 2023, ny fampirantiana “Rhapsodie Picturale”, iarahana amin’i Jean Nirina Razafindralambo. Misy ihany koa ny fampahafantarana ity karazana haikanto ity.

Partager sur: