Lehilahy iray (40 taona) hita faty tao anaty dobon-trondro iray tetsy Fenoarivo, ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 10 ora alina. Lehilahy lehibe iray no henon’ny olona nikotaba sy niteniteny irery tao ivelan’ny tanàna talohan’io. Nampilazaina ny zandary ary hita tao anaty dobo fiompiana trondro iray ny fatiny. Tombanana ho sempotry […]
Auteur/autrice : Adnews
Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany : Olona telo naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana, ny zoma lasa teo, ny raharaha momba ny renim-pianakaviana iray voarasa antsy tany Mahavoky Avaratra, kaominina Mahajanga. Olona miisa telo no voasambotry ny polisim-pirenena ary naiditra vonjimaika am-ponja, taorian’izay. Anisan’izany ny zana-drahavavin’ilay niharam-boina, izay tompon’antoka tamin’io vono olona io. Novonoina tamin’ny antsy sy vakina tavoahangy […]
Anjanahary : Lohan-jaza hita tao anaty gony
Nahitana fatin-jazakely indray tetsy Anjanahary, omaly maraina. Olona handeha maraina no nahatsikaritra zavatra efa notarihin’ny alika teny amin’ny manodidina. Rehefa nojerena, lohan-jaza iray sy ny tanany ilany, niaraka tamin’ny gony, no hitan’ny fokonolona. Heverina ho efa lanin’ny alika ny tapany ambanin’io zaza io, raha ny fanazavana voaray. Nataon’ny tsy mataho-tody […]
Nieren-doza ny iray tamin’ireo kambana: Telo mianaka niara-matin’ny lozam-pifamoivoizana
Nifandona teny amin’ny Digue mihazo an’Ambohitrimanjaka ny kamiao sy fiara 4*4 iray, tamin’ny sabotsy. Maty teny amin’ny hopitaly ny telo mianaka. Nivoaka ny hopitaly, nieren-doza kosa ny zaza iray telo taona. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Digue Ambohitrimanjaka, ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Olona […]
Mila tolo-tanana: Mandalo tsy fahasalamana i Honorat
Araka ny vaovao nampitain’i Eric Fou Hehy, mandalo tsy fahasalamana i Honorat Herisolomahefa na i Honorat Fou Hehy. Fantatra avy amin’ io antso ho an’ny malala-tanana nataon’i Eric io fa ilana fandidiana maika any am-pitandranomasina ity anisan’ ny zoky sy andrarezin’ny hatsikana malagasy ity. Hisy « urne » hitsangana eo […]




