Auteur/autrice : Adnews

Andohatapenaka : telo lahy nitam-piadiana lavo

Nifanenjehan’ny polisy, maty voatifitra ny jiolahy iray anisan’ireo nangalatra moto teo Andriantany, lalana mihazo an’i Mahitsy, omaly. Mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC1 no nahatsikaritra ny fandrobana nataon’ny jiolahy telo lahy. Nosakanan’ireo jiolahy ireo ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny faritra Andohatapenaka. Nalain’izy ireo ny moto nentin’io mpandalo io. […]

Fanafihana mahery vaika : Olona 4 natao takalonaina

Lasan’ny dahalo mitam-piadiana ny vehivavy roa sy ny lehilahy roa tao Brieville, Tsaratanàna, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 29 febroary teo. Nentin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana ma­hery vaika an-keriny ny vehivavy roa sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Tom­bo­katsy, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratànana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, […]