Notanterahina ny zoma teo, tao Analavory, fokontany Antaratasy, kominina ambanivohitra Mahavelona Foulpointe, ny taom-pambolen-kazo 2024, ao amin’ny faritra Atsinanana. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore. Velarantany 4 058 ha no voavoly zana-kazo 11 000 fototra nandritra io fotoana io. Nandray anjara tamin’izany sy voasolotena […]
Auteur/autrice : Adnews
Janoary 2024 : nampidi-bola 234,4 miliara Ar ny fadintseranana
Tsara fanombohana ny taona ho an’ny fadintserana malagasy. Mitotaly 234,4 miliara Ar ny vola nampidiriny ao anatin’ny kitapombolam-panjakana, ny volana janoary. Tsara ny vokatra ho an’ny fadintserana malagasy. Ny volana janoary teo, mahatratra hatrany 234,4 miliara Ar ny vola nampidiriny ao amin’ny kitapombolam-panjakana. Niakatra ho 243,3 miliara Ar izany vola […]
INDRAY MIJERY
Mpianatra ho infirmiera anesthésiste avy amin’ireo oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana nomena fampiofanana momba ny fandraisana an-tanana mahakasika ny lalan-drivotra. Notontosaina teo anivon’ny CHUGOB, niarahana tamin’ny mpisehatra avy ao amin’ny Association Solidaire des Infirmiers en Anesthésie et Réanimation de Madagascar ny hetsika. Misy alondrano aterak’ilay sisan-drahona navelan’ny Eleanor […]
HEA Enam : hametraka fenitra amin’ny fitantanan-draharaha
Lany ho filohan’ ny fikambanan’ireo manampahaizana ambony, DHEA, nivoaka avy amin’ny sekoly momba ny fitantanan-draharaha (Enam), Ramanantsoa Andriamahafaly Rado, izay avy amin’ny andiany fahatelo. Tomponandraikitra vonona ny handray anjara mavitrika amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tsy miankina eto amin’ny firenena ny DHEA. Vonona hitondra ambony ny fanevan’ny […]
Kaominina Androhibe: miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina
Manodidina ny 300 ireo tantsaha nisitraka zezika 300 t avy amin’ny orinasa tsy miankina ao amin’ny kaominina Androhibe Antsahadinta, distrikan’Atsimondrano, omaly. Avy amin’ny fikambanana matihanina ireo tantsaha ireo ary nisitraka fampiofanana momba ny fambolena sy ny fitantanam-bola ihany koa. “Porofon’ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ny fanehoana fiaraha-mientana […]





