Auteur/autrice : Adnews

Tambajotran-jiolahy: dimy lahy voasambotry ny polisy

Dimy lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Ampari­hingidro, Mahajanga, afakomaly. Naha­ray fitarainana ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo ny mponina ao Am­borovy, Ambondrona hatrany Ampa­rihingidro. Nanao fisafoana alina ny UIR ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa nahatazana […]

Ambohijanaka : Jiolahy iray voatifitra

Nirefodrefotra ny basy ! Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina Ambohijanaka, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 22 febroary teo. Teo am-pangalarana omby, voasambotry ny fokonolona io olon-dratsy io. Nentin’ny zandary natao famotorana izy ka nanaiky hitoroka ireo namany. Nentin’io jiolahy io nihazo ny lalamby izay […]