9 484 ny olona traboina vokatry ny rotsakorana be niseho nanomboka ny 6 febroary lasa teo. 4 796 ireo nafindra toerana amin’ny toeram-pandraisana 16. Mahatratra 9 147 ha ny tanimbary dibo-drano ao Benenitra, Fenoarivo Atsinanana ary Toamasina II. 12 ny olona namoy ny ainy ary sivy ireo tsy hita popoka, araka ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Distrikan’Antanifotsy : miandrandra olona hitondra fampandrosoana
Nanao fanambarana omaly, ireo ben’ny Tanàna 12, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Milaza izy ireo fa miandrandra olom-baovao hitondra fampandrosoana any an-toerana. Manoloana izany, hanolotra an-dRakotondrazafy Justin na i Zilikely Fanavotana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka izy ireo. Mangataka ny fankatoavan’ny fanjakana foibe ireo ben’ny Tanàna mba ho isan’ny kandidam-panjakana ny olona […]
Faritra Analamanga : nanolotra fitaovana ny Pnud
Natao omaly, tetsy Ambohidahy, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny faritra Analamanga sy ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny Pnud. Fanolorana fitaovana hiatrehana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza no nifantohan’izany. Nisy ny fanolorana motopompes, moto, borety, trano lay… Nilaza ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, fa tonga ara-potoana ny […]
Fanabeazana ara-pananahana: tsy manaiky ny naoty navoakan’ny minisitera ny depiote
Mitsipaka ny naoty, mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny solombavambahoaka. Voalaza fa mila fankatoavana ny fampianarana ho zaraina any an-dakilasy. Namoaka « note circulaire » ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023. Manambara izany fa tsy maintsy alefa any amin’ny sampandraharaha misahana ny toeram-pampianarana ny hetsika fanentanana na fampahalalana rehetra […]
Fampiofanana olom-boafidy: nahazo fiofanana ny tomponandraikitra
Manatanteraka fiofanana mahakasika ny fitantanana raharaham-panjakana, ny Tale sy ny Lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny Institut Nationale de la Décentralisation et du Développement Local (INDDL). Fiofanana izay notanterahina nanomboka omaly ary ifarana anio. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hahafantaran’izy ireo bebekokoa ny momba ny fanjakana tsara tantana sy ny hahafehezan’izy ireo […]





