Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Nitsidika ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny traboina vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny rotsakorana naharitra teto an-dRenivohitra ny delegasi­on’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny fokontany Andrefan’i Mananjara, boriborintany fahefatra, no no­tsi­dihina niaraka tamin’ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ary nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tokantrano tra-doza miisa 489, […]

Tetikasa Tafita : mampivoatra ny fifehezana ny vakiteny sy ny kajy

Mitohy ny  tetikasa  « Tafita » izay iarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny fandaharanasa japoney, JICA. Handrakotra ny faritra 23 izany manomboka amin’ity taona ity. Hitohy amin’ny dingana fahatelo ny tetikasa «Tafita», nampiharina teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra na ny EPP. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy hanomezana lanja ny fitantanana eny ifotony miaraka […]

«Afrobasket Men 2025» : 12 mirahalahy hanafika any Egypte

Nanainga omaly, nihazo an’i Le Caire renivohitr’i Egypte, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy. Hiatrika ny dingana voalohany ho an’ny fifanintsanana «Afrobasket Men 2025» izy ireo. Fihaonana hatao ny 23 ka hatramin’ny 25 febroary ho avy izao. 12 mirahalahy ny mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona «D» no misy […]