Auteur/autrice : Adnews

Fampivelarana ny maha Malagasy: Tontosaina any Paris ny « Soratononina 2026 »

23 taona aty aoriana… Mitohy hatrany ny fifaninanana « Soratononina » karakarain’ny fikambanana Kolo Malagasy. Ny lohahevitra no miovaova fa ny tanjona voatazona hatrany. Anio 28 marsa, ao amin’ny Institut national des langues et civilisations orientales Inalco – Paris 13e , no hanatanterahina ny «Sora­tononina 2026». Ahitana ny sokajy I, ho an’ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Hitohy ny talata 31 marsa, eny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Maha­masina, ny dinika fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Mada­gasikara mahakasika ny hoavin’ny vola malagasy. Mi­antso ny rehetra hamonjy ny fihaonana ny BFM handraisana ny hevitry ny maro hanatsarana sy hampivoarana ny Ariary, ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitentina […]

Tetikasa « Vehivavy Mijoro »: Seha-pihariana karazany telo hahavelon-tena

Nampahafantarin’ny Sipem banky, ny 26 marsa teo, ny tetikasa « Vehivavy mijoro », hanohanana ny vehivavy marefo. Tanjona ny ha­hafahan’izy ireo miarina amin’ ny fiainana sy hahaleo tena ara-pihariana. Miisa 15 ireo vehivavy nosafidina amin’ity andiany voalohany ity. Seha-pihariana telo nosafidiana hampiofanana azy ireo, ny zaitra (Eccova), ny taovolo (Ipac), ny nahandro […]

Televiziona-StarTimes : Tolotra manokana ho an’ny mpanjifa

Manome tolotra manokana ny StarTimes amin’izao antomotra ny fetin’ny Paka izao. Misy ny fihenam-bidy omeny ny mpanjifa. Nohazavain-dRamatoa Florence Zhu, tale ara-barotry ny StarTimes, fa tsotra, haingana ary ahazoana tombontsoa maro, mifanandrify arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny tolotra omena. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa karazana fandaharana maro samihafa. Misy karazany telo […]

Fanjifana : Dinika ho an’ny tombontsoan’ny mpamokatra eto an-toerana

Manao antso avo momba ny tsindry ataon’ireo mpanafatr’entana ny indostria malagasy. Efa mihoatra ny 4 000 taonina ny vokatra sakafo sy fantsona plastika nafaran’i Madagasikara ny taona 2024. Nafana ny adihevitra teo amin’ireo mpisehatra, nandritra ny dinika, manoloana ny fitobahan’ny vokatra afarana eto amintsika. Fihaonana nokarakarain’ny biraon’ny rafi-pahefana nasionaly misahana ny […]