Auteur/autrice : Adnews

Birao maharitry ny Ceni : Mifandanja ny lahy sy ny vavy, feno ny mpikambana

“Mipetraka tsara ny fifandanjana eo amin’ny lahy sy ny vavy: efatra lehilahy, efatra vehivavy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Rakoto­narivo Thierry, teny Anosy, omaly, taorian’ny fahavitan’ny fianianan’ny mpikambana farany izay solontenan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­poblikan’i Madagasikara eo anivon’ny birao maharitra, i Anne Raymonde, teny […]

Very fanahy mbola velona

  Mihorohoro ny vahoaka! Mitaintaina andro aman’alina ny zanaka sy ray aman-dreny. Hatramin’ny vady aza moa. Tsy ny zaza ihany no lasibatry ny mpangalatr’olona, mahita faisana koa ny olon-dehibe. Miandahy miambavy ny olona very, tsy mifidy taona. Indrisy, izay manjavona, tsy mody ao an-trano fa ampodian-dry zalahy any amin’ny Ray. […]

Toe-draharaham-pirenena : Manameloka ny fanakorontanana ny HPM

Nifoha tamin’ny torimasony ny Hery politika mitambatra na HPM. Manameloka ny endri-pihantsiana sy fanankorontanana izy ireo. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Hery politika mitambatra (HPM), omaly, tetsy Ambatomena. Hentitra izy ireo manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana. «Helohinay amin’ny herinay rehetra ireo fihetsika miendrika fihantsiana sy fanakorontanana na avy ato anatiny […]