Ho fandraisana an-tanana ny zaza madinika amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana dia misokatra ny sampandraharaha misahana izany etsy amin’ny CHU Andohatapenaka. Nanapa-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handrindra manokana ny fandraisana an-tanana ny zaza tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mirongatra rehefa vanim-potoana toy izao. Mifarimbona, araka izany, ireo hopitaly maromaro amin’ ny fandraisana an-tanana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ski alpin-«Mondiaux junior 2024»: laharana faha-56 i Theo Montaigne
Nifarana ny sabotsy teo, tao St Jean d’Aulps Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja fikorisana an-dranomandry, ski alpin, sokajy junior, na ny fis junior «World ski championships». Nanana solontena roa niatrika izany i Madagasikara. Azo lazaina fa teo ho eo ny vokatra azon’izy ireo. Anisan’ izany, i Montaigne […]
“Pureplay Foot-ball League” (PFL): hanohana ny CFEM mandritra ny 2 taona ny FMF
Taorian’ny fanovana ny anaran’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League, (OPL)” ho “Pureplay Foot-ball League, (PFL)”, niroso tamin’ ny fanohanana ny CFEM (Association des clubs de football élites de Madagascar) ny federasiona malagasy (FMF). Notanterahina ny zoma lasa teo, teny Ivandry, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta. Nanatanteraka izany, Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny […]
DAKA AN-JORONY: angovo sy teknika
Na tsy mandeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) aza ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024), manaraka akaiky izany ny Malagasy, indrindra fa ireo mpiondana ity taranja ity. Samy mahatsapa ny rehetra fa mafy ilay fifaninanana. Tsy vitan’ny teknika fotsiny fa tena miasa ny […]
“Can 2024”: tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire i Mali
Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024). Tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire indray i Mali. Nigeria hidona amin’i Afrika Atsimo ary RD Congo hifampitana amin’i Côte d’Ivoire. Ireo ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i […]





