Ho fantatra anio ireo ekipa roa farany hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Ny Lion d’Atlas, Maraoka sisa no hany ekipa magrebianina mbola mifaninana. Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, ao amin’ny kianja San Pedro izy […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Nifarana ny faran’ny herinandro lasa teo ny fiadiana ny tompondakan’i Matsiatra Ambony, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy U23. Ny ekipan’ny EBF, araka izany, no hisolotena an’i Matsiatra Ambony amin’ ilay fifaninanana «De la Rue vers L’Or» izay hotanterahina eto Antananarivo, ny 16-18 febroary ho avy izao. Niala teo amin’ny tontolon’ny […]
Jiu-Jitsu : mpikatroka 100 manampy traikefa
Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fizarana traikefa eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu, ataon’i Vicente Cavalcanti, ilay Breziliana manam-pahaizana. Malagasy mpikatroka manodidina ny 100 misitraka izany. Fiofanana sy fifampizarana no atao eny an-toerana, hatramin’ny anio. Nigadona teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, ity Breziliana mpampiofana ity. Tsiahivina fa tepana mainty […]
Badminton : hatao amin’ny avrily ny fifidianana filohan’ny Federasiona
Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao teny Ampefiloha, ny sabotsy 20 janoary lasa teo. Hiatrika ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny Federasiona malagasin’ny Badminton. Hotanterahina ny faran’ny volana avrily ho avy izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Badminton (FMB). Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eto Antananarivo […]
Fiaraha-miasa ESPA sy ACPE : mandalina ny «Lean Management» ireo mpianatra
Misitraka fiofanana maimaimpoana amin’ny alalan’ny fandalinana ny «Lean Management» ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona, nanomboka ny 25 janaoary teo. Hanampy ny tanora hiorim-paka amin’ny fomba fiasa manokana mitaky ny lafatra hatrany io fianarana «Lean Management Six sigma» io. Fitaovana iray nampiasaina nanomboka ny taona 1850, nandritra ny […]





