Auteur/autrice : Adnews

Lozam-pifamoivoizana teny Nanisana: Nitolo-batana eny amin’ny polisy ilay mpamily

Atao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny teratany Indianina nitondra fiara tsy mataho-dalana nandona olona teny Nanisana, ny sabotsy 04 jolay teo. Nipa­ritaka nanerana ny tambajotran-tserasera ny sarin’ny lehilahy iray nihoson-dra voalaza fa nodomin’ny fiara 4×4 miloko mena teny Nanisana, boriborintany fahadimy, ny sabotsy lasa teo. Nifamonjen’ireo nanatri-maso io olona […]

Antohomadinika : Nitokona ny mponina

Nilanja sorabaventy ireo mponina eny amin’ny fokontany Antohomadinika Atsimo, boriborintany voalohany, omaly. Nitsipaka ny fametrahana ny sefo fokontany vaovao izy ireo. « Tsy manaiky filoham-pokontany vaovao izahay. Aleo fidiana izay hitantana », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpitokona teny an-toerana. Manohana hatrany ny sefo fokontany teo aloha ireo nilanja sorabaventy, araka ny angom-baovao. […]

Voalaza ho nangala-jaza : Vehivavy iray voasambotry ny fokonolona tetsy Ankaditoho

Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ny vehivavy iray, voalaza fa saika nangala-jaza, omaly atoandro tetsy Ankaditoho Tsimbazaza. Tonga nisambotra azy sy nitondra azy niatrika fanadihadiana ny polisy taorian’izay. Misesisesy ny fahatrarana olona voalaza ho mpangala-jaza tato ho ato. Taorian’ny fisamborana vehivavy iray, voampanga ho nangala-jaza tetsy Ilanivato, ny sabotsy teo, vehivavy iray […]