Miverina ary tena mahavoa olona maro ny Covid-19, araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Manginy fotsiny, mikiky olona maro ny gripa mahery vaika. Tsy mitsitsy fa izay voa aloha dia mandamaka am-pandriana. Tsy maha lehilahy lehibe, tsy maha tompon’ny hery fa mandripadripaka ny aretina. Soa fa tsy mahafaty ! Azo sy mora […]
Auteur/autrice : Adnews
Fondation Tany Meva: nivoaka ny drafitrasa 5 ho an’ny taona 2023-2027
Tapitra tamin’ny taona 2022 ny drafitrasa andiany fahefatra an’ny fikambanana Fondation Tany Meva. Hifantoka amin’ny fanatsarana ny velon-tena, ny fanatsarana ny sosialy ary ny fiarovana ny tontolo iainana ny andiany fahadimy (2023-2027). Nampahafantarina ny 21 novambra teo, ny drafitrasan’ny Fondation Tany Meva ho an’ny dimy taona manaraka (2023-2027). Misahana ny fanohanana […]
Raharaha Andohanimandroseza : fiaram-panjakana ilay voatifitra, tale tao amin’ ny Instat ny iray maty
Miandry ny tatitra ofisialy mahakasika ny fifampitifirana teny Andohanimandroseza ny mpanara-baovao. Tsy mbola misy ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Milaza ny tomponandraikitra fa anatin’ny famotorana tanteraka, mandrak’alina. Etsy ankilan’izay, ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera no namoaka fa fiaram-panjakana ilay rotiky ny bala. Ora vitsy taorian’izay, namoaka fanambarana ny teo anivon’ny […]
TSELATRA
Lehilahy iray mpamily taxi maty ahina namono tena, tao amin’ny Fokontany Ambalatany, omaly maraina. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy saingy voalazan’ny mpiara-monina aminy tamin’ny alalan’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa nanana olana tao anatin’ny andro vitsy lasa io lehilahy io. Omby an-jatony lasan’ny dahalo mitam-piadiana tao amin’ny […]
Antaninandro : mpangalatra anaty fiara voasambotra
Lehilahy iray mpangalatra anaty fiara mipetraka amoron-dalana nosamborin’ny polisy rehefa tratra teo am-pisokirana ny vatoaratra an’ny fiara iray, tetsy Antaninandro, omaly. Malaza ratsy amin’ny fisian’ny mpangalatra anaty fiara teny an-toerana, nanaovana vela-pandrika io olon-dratsy io. Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana ny asa ratsiny, ny alin’ny alahady 19 novambra teo .Ankoatr’io, voasambotry ny […]





