Potika ny fiharian’ireo mpandraharaha sy mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina noho ny toe-draharaha politika miseho amin’izao fotoana. Simba ny toekarena, mihena ny fidiram-bola. Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny Analakely noho ny hetsika, toe-draharaha, politika miseho amin’izao fotoana izao. Lasibatra tanteraka ny toekarena ka tsy mampidi-bola na ireo mpandraharaha maro […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Tonga, omaly, tany Ihosy, ny milina mamokatra herinaratra 400 KW. Niaina sy niaritra ny fahatapahan-jiro ny mponina any an-toerana nandritra ny telo volana. Niezaka nitady vahaolana ny Jirama sy ny fanjakana foibe, ka izao voavaha izao ny olana. Ho avy tsy ho ela koa ny milina ho an’i Sakaraha. Haharitra […]
Ida-Fiavota: 1 tapitrisa mahery ny afaka tamin’ny kere
Mahatratra 85 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Ida), tahirim-bolan’ny Banky iraisam-pirenena. Napetraka ny fandaharanasa Fiavota, hiadiana amin’ny fahantrana sy ny kere any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Anisan’ny niaina ny mosary, tamin’ny taona 2016, i Volatsarasoa, 33 taona, monina any Malangy, distrika Ambovombe. Nambarany fa « tena mafy […]
Tetikasa « Pipeline Efaho »: Manomboka ny asa fanorenana
Manao ny ezaka rehetra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny governemanta, na eo aza ny fifidianana. Mitohy ny tetikasa “Pipeline Efaho”, fametrahana ny fantsombe avy amin’ny reniranon’Efaho any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Vita ny antontan-taratsy mirakitra ny fanadihadiana teknika, sady nivoaka ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Natomboka, omaly 13 novambra, tany Esalo […]
FANTINA sy FINTINA
Nohalavain’ny fitsarana 48 ora ny fihazonana ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, eny anivon’ny zandary, misahana ny fikarohana heloka bevava Fiadanana. Tokony ho tapitra, omaly izany. Tsiahivina fa nosamborina teny Mahamasina nandritra ny hetsika ny alarobia lasa teo izy. Nihaona tamin’ny iraky ny Sadc ny Vondron’ny kandidà 10, omaly. Tsy azo natrehina […]





