«Festival Sar’nao». Amperiny tanteraka ny « Festival Sar’nao » andiany faha-14 ankehitriny. Ankoatra ny fampirantiana, misy ihany koa ny atrikasa momba ny varotra ana habaka, atao anio, eny amin’ny Aft Andavamamba. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa miara-miaina amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ka ilaina ny mahafehy izany. « Diary Nofy ». Tanterahina rahampitso, eny […]
Auteur/autrice : Adnews
Madagascourt Film Festival : handray anjara amin’ny hetsika ireo vahiny
Nitombo hatrany ireo manam-pahaizana sy andrarezin’ny horonantsarimihetsika handray anjara amin’ny Madagascourt Film Festival, andiany faha 18. Teratany vahiny telo, samy manana ny mampiavaka azy, ary sangany eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika ny hitondra ny traikefany sy fahaiza-manaony, ao anatin’ity andiany faha 18, atao ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, […]
“Hasambarana iray felatanana” : hitondra teatra poetika i Nirihaja sy ny Volivolana
Amboaran-tononkalo, rakikira fihaino ary teatra poetika no indray mitambatra anatin’ny “Halo Project”. Indray ampahafantarin’ny mpanoratra Nirihaja sy ny Volivolana sabotsy izao izany. Teatra poetika. Raisina amin’izay fanagasiana izay aloha ny “théâtre poétique”, mandra-pisian’ny dikanteny malagasy. Endri-tseho tsy mahazatra firy, satria ny tononkalon’ny mpanoratra iray no lalaovina an-tsehatra toa ny teatra. […]
Famendrahana odimoka : olona maherin’ny 600 000 ho voaaro
Hafafy eny amin’ny rindrina amin’ny tokantrano maherin’ny 165 000 ny fanafody mamono moka amin’ity taona ity. Hotanterahina mandritra ny volana novambra manontolo izany amin’ny distrika ara-pahasalamana 5, izay nahitana trangana tazomoka betsaka. Olona maherin’ny 600 000 no ho voaaro amin’ny aretina tazomoka amin’ity ezaka ity. Anisan’izany ireo vehivavy mitondra vohoka […]
INDRAY MIJERY
Hanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga, ny alakamisy 14 desambra izao, ao amin’ny Lapan’ny tanàna. Manentana ireo mpifankatia vonona hiroso amin’ny fanambadiana hampanara-dalàna ny tokantrano ny fiadidiana ny Tanàna. Tanjona ny ialana amin’ny tokantrano imaso. Tsy marin-toerana ny atmosfera ho an’ny telo andro manaraka eto Madagasikara. Hisy, araka izany, […]





