Auteur/autrice : Adnews

Olona iray maty… : kamiaobe nifandona tamin’ny taksiborosy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) mihazo an’i Mahajanga, omaly vao maraina. Kamiaobe iray no nifandona tamina taksiborosy Sprinter, teo amin’ny tetezan’Andranofeno Avaratra, distrikan’Ankazobe. Vokany, raim-pianakaviana iray nandeha tamin’ilay taksiborosy namoy ny ainy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandarimaria, avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo ity kamiaobe ity. […]

Tsy faly ny fokonolona: nanafika biraon’ny zandary, sivily efatra maty voatifitra

Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy roa voalaza fa dahalo. Tsy faly ny namany. Nanafika borigadin’ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Efatra hafa namoy ny ainy. Olona efatra maty, nisy naratra noho ny fifampitifirana teo amin’ny zandary, niaro ny biraony sy ny fokonolona mpanafika, tao amin’ny kaominina Tsima­zava, distrikan’i Mahabo, faritra […]