Nosokafana ny 14 aogositra teo, tao Toamasina, ny « Herinandron’ny kabary ». Feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Hetsika nahatarafana ny maha izy azy ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Fi.Mpi.Ma, zokiny indrindra sady maro mpikambana indrindra amin’ireo fikambanana miaro sy manandratra ny kabary malagasy. Diabe nialohavan’ny mpitsoka mozika, niala teo amin’ny « La Mairie » […]
Auteur/autrice : Adnews
« Life’s 2023 » : Tany Indonezia i Johary Ravaloson
Nifarana omaly, tao Jakarta, Indonesie, ny hetsika “Literature and Ideas Festivals” (LIFE’s). Hetsika nanomezana vahana manokana ny mpanoratra boky sy ny mpisehatra manodidina izany. Naharitra valo andro ny hetsika nanerana ireo ivontoeran’ny kolontsaina tao an-toerana. Nisolo tena an’i Madagasikara i Johary Ravaloson. Anisan’ny nizara ny maha izy azy tamin’izany ity […]
« Volana iray, mpanoratra iray » : homarihina ny faha-100 taona nahaterahan’ i Nirhy-Lanto
Teraka ny taona 1923 ary nodimandry ny taona 2004. Na tsy eo intsony aza, homarihina amina hetsika maro ny faha-100 taonan’i Nirhy-Lanto. Rakotonindrina Charles Victor no tena anarany. Solon’anarana maro no efa nosalorany teo amin’ny sehatry ny literatiora: Nirhy-Lantoson, Bruno Rahaingo, Pika Harisoa, Mamy rahanitra, Rado Tiana, sns. Nahafantarana azy […]
Antenimieran’ny varotra sy ny asa tanana ao Toamasina : “Haverina ny fahatokisan’ny mpandraharaha” hoy ny filoha vaovao, Kotonirina Robert
Tontosa ny talata lasa teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao mitantana ny sampandraharahan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana, any amin’ny faritra Atsinanana. Natao teny anivon’ny efitrano malalaky ny « Chambre de commerce et de l’industrie » Toamasina (CCIT) ny lanonana. «Eo anivon’ny minisitera […]
FANTINA sy FINTINA
Iandrasana ny fialan’ny filoha Rajoelina ny kongresy, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. “Mangataka ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina ny olona. Dinihina izay tena mahatsara azy. Mametra-pialana izy rehefa mirotsa-kofidina, any ve no tsaratsara kokoa? Mahafinaritra rehefa eo ilay olona amin’ny fanaovana kongresy”, hoy izy. Hanambara tsy ho ela ny […]




