Auteur/autrice : Adnews

Angovo azo avaozina : napetraka ny centrale solaire manana tanjaka 2,4 MWC

Notokanana ny sabotsy teo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Antsiranana. Olona aman’aliny no hisitraka ity fotodrafitrasa lehibe ity. Ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiasana ny angovo azo avoazina mba hisitrahan’ny daholobe herinaratra. Napetraka ao Ankorikihely, kaominina am­banivohitra Ramena, distri­kan’Antsiranana faha-II, ny sabotsy teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ ny […]

INDRAY MIJERY

Ny fanjakana no hiantoka ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana “freeze tag”, ilaina amin’ny ady amin’ny Covid-19, izay fanampiana tsy averina avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Fitaovana hanaraha-maso ny maripanan’ny akora iray mila fampangatsiahana toy ny vaksiny sy ny fanafody hafa ilaina amin’ny fitsaboana izany. Nifarana ny […]

FIANARANTSOA : niakatra ho 57,89% ny vokatra, bakalorea

Nivoaka, omaly, ny va­lim-panadinana bakalorea 2023 ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa. Maha­tratra 57,89 % ny taham-pa­hafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika miaraka. Nia­katra ny taham-pahafahana raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa satria 43,95% izany. Miisa 19 985 ireo nahazo ny mari-pahaizana bakalorea tamin’ireo 34 521 nisoratra anarana. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, […]

VELIRANO FAHA-5 : vita ny CSB II Manongalaza

Natolotry ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ho an’ny vahoakan’Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny CSB II manara-penitra ao Manongalaza. Toeram-pitsaboana hiasa sy handray marary avy hatrany. Fitaovana vaovao sy raitra avokoa no ampiasaina ao amin’ity CSB II ity, araka ny fanazavana. Anisan’izany ny efitrano fiterahana, manana fitaovana arifomba fanaraha-maso ny […]

Fananahana ara-pahasalamana : ilaina ampidirina anatin’ny fandaharam-pianarana

Tanora latsaky ny 25 taona avokoa ny 64% amin’ny Malagasy. Mbola latsaky ny 15 taona ny antsasamanilan’izy ireo, araka ny antontanisan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (Unfpa). Mbola olana ho an’ny firenena ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora sy ny zo mifandraika amin’izay satria ny 31% amin’ny tovovavy 15-19 taona efa […]