Nifarana ny sabotsy 12 aogositra lasa teo, tao Abidjan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny fiadiana ny ho tompondakan’ ny “IHF Trophy continental”, sokajy zandriny, vehivavy (cadette) sy «junior». Ratsy ny vokatra ho an’ny Akio de Madagascar. Tsy nahazo fandresena mihitsy mantsy ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ireo lalao rehetra nataony. Nametraka azy ireo, […]
Auteur/autrice : Adnews
Lalaon’ny Nosy: noraisina tany Antsiranana ny afo Olympika
Nigadona ny sabotsy hariva eto Madagasikara, ny afo Olympikan’ny lalaon’ny Nosy. Tao Antsiranana no nandray izany. Hitety ny renivohi-paritany enina, mialoha ny lalao. Vahoaka marobe no efa niandry ny fahatongavan’ny afo Olympika, tao amin’ny kianjan’Antsiranana, ny sabotsy lasa teo. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Naka izany tany Maorisy […]
TARATRY ny KANTO
Teatra Malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny teatra notontosain’ny “Tropy Ilo”. Ny piesy teatraly “Mose Lemera”, nosoratan-dRatsimbason Pierre Emile no nolalaovin’izy ireo tamin’izany. Ao anatin’ny ezaka famerenana ny hasin’ny teatra tanteraka ny tomponandraikitra amin’izao. Ary hisy matetika ny seho hanatrarana izany tanjona izany. “Literature and Ideas Festivals-LIFEs”. Tontosaina […]
Jazz@Tohatohabato faha-12 : « Tafita ny ezaka natao hatramin’izay », hoy i Pépé
Nifarana, omaly, tetsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, Analakely, ny fampisehoana nanakatonana ny andiany faha-12 amin’ny Jazz@Tohatohabato. « Nody ventiny ny rano natsakaina. Tafita ny ezaka natao tao anatin’izay taona maro nisian’ny Jazz@Tohatohabato izay. Nety ny natao. Ity no andiany be olona indrindra. Afa-po izy ireny. Nivelatra be ny jazz », hoy i Pépé Raveloson, avy […]
Misaona ny kanto malagasy : nodimandry i Tiana Andrianaina
Mpihira, mpitendry sy mpampianatra zavamaneno, mpikaroka… Fantatra, omaly, fa nodimandry i Tiana Andrianaina andrarezin’ny hira malagasy. Taona 1980 ka hatramin’ny taona 1990 no tena nampamirapiratra azy teo amin’ny zavakanto. « Any an’ala », « Miràna », « Korana », hira anisan’ny nahafantarana ny tarika Tiana Andrianaina. Izy no iray amin’ireo nanana fahasahiana lehibe nitondra zava-baovao amin’ny […]




