Auteur/autrice : Adnews

Tarika Rebika : nitotorebika sy afa-po ny mpankafy

Fotoana mamy, niarahan’ny fianakaviamben’ny tarika Rebika omaly, teny Antsahamanitra. Fotoana nanehon’ny tarika ny mety ho endriky ny fankalazana ny faha-35 taonany. Tontosa omaly, teny Antsahamanitra ny fampisehoana goavana, na­taon’ny tarika Rebika. Tonga maro niara-paly tamin’izy ireo, tamin’izany, ireo mpankafy marobe. “Tatasika an-tsehatra”, io no anarana nentin’ny fampisehoana. Fotoana lavalava no […]

Chef d’Escadron Manampy Chantol: « Maty vao haingana ny vadiko no voatifitra aho… »

« Maty ny vadiko, voatifitry ny da­halo aho… hanao ahoana ny hoavin-janako », hoy ny kaomandin’ny von­dron-tobim-paritry ny zandarimaria Manja, ni­tan­tara ny zava-nanjo azy, nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo. Tena misy ny asan-dahalo fa tsy araka ny fieritreretan’ny olona azy… Iray amin’ireo distrika dimy mandrafitra ny faritra Me­nabe ny distrikan’i Manja, faritan’i […]

FANTINA sy FINTINA

“Tsy manao valifaty ary mametraka ho am­bony ny fihavanana isika”, hoy ny depiote Randria­nasoloniaiko Siteny, tamin’ny Mihava Tour tao Fia­naran­tsoa, ny faran’ny herinandro teo. Nampa­nantena ny hanokatra ny orinasa Tiko, ahena ny vola aty amin’ ny fanjakana foibe ary omena ampahany betsaka ny kaominina. Namaranan’ny filoha teo aloha, Rajao­nari­mampianina Hery, […]

Minisitra Yvette Sylla: “Mahasarika olona i Madagasikara amin’ny JIOI”

“Mahasarika ny vahiny i Madagasikara amin’ny fikarakarana sy fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy (JIOI). Noho izany, ho avy eto ireo filom-pirenena eo anivon’ny Vao­mieran’ny ranomasimbe In­dianina (COI).” Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ho avy eto ny filohan’i Maurice, indrindra ny […]

Soa toa lavina

  Aiza ho aiza ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena ho an’ ny antoko politika sy ny kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika? Tsy very na maty hafoy, tsy antenaina avy hatrany. Manana ny fotoany ny zavatra rehetra? Na izany aza, miankina amin’ny tena ihany ny hoe fitsipi-pitondran-tena amin’ny fanaovana politika. Manana etika sy […]