Auteur/autrice : Adnews

Indray mijery

Nanomboka ny alakamisy ka hatramin’ny rahampitso, ao amin’ny lycée manara-penitra Ambovombe Androy, ny fampiofanana ireo talen-tsekoly 470 sy lehi­ben’ny fari-pitantanana ara-pedagojia 23. Mahakasika ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana ao amin’ny fari-piadidiana Ambovombe, miaraka amin’ny Unicef. Nanao fanambarana ny mpikambana ao amin’ny Seces Antsi­ranana. Hiroso […]

Hamorona asa ho an’ny tenany: Vehivavy 6 000 hofanina amin’ny fandraharahana

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofana arak’asa sy ny fikambanana Zara Hasina. Vehivavy 6 000 no hofanina amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fampivoarana ny maha olona. Tafiditra indrindra amin’ny fampiharana ny fio­fanana faobe ny hetsika ary haharitra efa-bolana ny fio­fanana. Hotontosaina eto Antananarivo, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa sy […]

Sampana Mpanazava sy Tily FJKM: Fanamby ny hijoroan’ny Sampati matanjaka amin’ny lafiny maro

Lasy lehibe ho an’ny Sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) sady fanamarihana ny faha-30 taona nijoroany Ambohidratrimo. Fanamby ho an’ny 30 taona manaraka ny hijoroan’ny Sampati matanjaka amin’ny lafiny rehetra. Mamolavola olom-banona sy vonona no tanjona. Ivon’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampati FJKM sy ny lasy lehibe eny Ialanana, Ambohidratrimo. Fanamby, […]

FJKM – Tantara : manan-taranaka velona Ambohimamory

Vohitra manantantara eto Imerina. Anisan’ireny ny fiangonana FJKM Ambohima­mo­ry Malala Orimbato. Hopo­rofoin’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana ary ireo sakaizany fa misy sy velona ry zareo sy ny vohitra nipoirany ary ny fiangonana nanabe azy. Rahampitso alahady, amin’ny 8 ora sy sasany, fanompoam-pivavahana tokana. Fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Anisan’ny hi­songadina […]

TARATRY ny KANTO

Entanina hatrany ireo manana vakoka mahakasika ny haino aman-jery eto Madagasikara. Hotokanana tsy ho ela ny Mozean’ny haino aman-jery, na ny “Havoria”. Ilazana ireo fianakaviana, namana na mpiara-miasa manana sary sy ny mombamomba ireo mpiasa trananin’ny RNM sy TVM, na ireo nodimandry na ireo mbola misotro ronono, mba hizara izany. […]