Mifarana anio ny fahafahan’ny olompirenena manamarina sy manitsy ny momba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny fe-potoana nomen’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI). Raha tsiahivina, nahazo 20 andro indroa miantoana, ny olompirenena tsirairay nanamarinana na nanitsina ny momba azy tao anatin’ny lisi-pifidianana, teny amin’ny fokontany misy azy avy. […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsenabe By pass – Atsimondrano : hetsika ara-toekarena hitsinjovana ny tontolo iainana
Hotanterahina eny By pass, ny 20, 21, 22 ary ny 23 jolay ho avy izao ny tsenabe “Vitrine d’Atsimondrano”. Hetsika karakarain’ny Fikambanana Manasoa. Hampiranty sy handray anjara mandritra izany, ireo orinasa 250 (vaventy sy madinika) eny an-toerana. Toy ny tontolon’ny fambolena, fiompiana, asa tanana, fampiofanana, fampianarana… Tanjona ny hisian’ny tolotra sy tinady […]
Kitra ho an’olona 7 : tafapetraka ny vatofototra eny Betongolo
Tontosa omaly, teny amin’ny kianjan’ny Betongolo ny fametrahana ny vatofototra ho fananganana kianja filalaovam-baolina ho an’olona 7 (MDN Stadium Betongolo). Nanatanteraka izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ireo mpiara-miasa aminy. Fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika Malagasy, amin’ny alalan’ny ofisy miaramilan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), sy ny mpiara-miombon’antoka […]
Fifandonana mahery vaika: dahalo telo rotiky ny bala, tafaporitsaka ny namany
Samy voan’ny bala. Dahalo telo lahy maty rehefa nangalatr’omby, afakomaly. Karohina ny namany iray Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy manamorina ny tanànan’ Androibe, kaominina ambanivohitra Ankerika, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io kaominina io, efa-dahy ireo dahalo. Nalainy teny an-tanimbary ny omby miisa roa. Nentiny nandositra. Niantso ny […]
INDRAY MIJERY
Nanaraka fiofanana teny amin’ny kolejy teolojika Ivato ireo talen-tsekoly 27 ao amin’ny departemantan’ny sekoly sy ny fitondran-tsekoly FJKM tamin’ity herinandro ity. Nofanina ny amin’ny fitantanana eo anivon’ny sekoly izy ireo tamin’izany. Teo koa ny torohay mikasika ny fifandraisan’ny sekoly sy ny fiangonana. Hatoby amin’ny toerana iray ny olona manana toe-tena […]




