Auteur/autrice : Adnews

“The Voice of Europe” : Voafantina hifaninana i Samuella

Hanomboka ny alatsinainy 19 oktobra izao ny “The Knoc­kouts”, fifaninanan-kira “The Voice of Europe”. Tsy diso an­jara amin’izany i Masa­gasi­kara, nahavoafantina an’i Samuella. Misy 20 ireo mpandray anjara hifaninana izay notsongaina noho ny talenta ananan’izy ireo. Hira haranty eo anivon’ny tambajotran-tserasera no hitsarana ireo mpifaninana ka amin’io alatsinainy io no […]

« Afromada Music Awards » : Efa eto ireo vahiny mpanakanto

Zily avy any Mayotte, Souncheitfit, Phil Bill avy any Cameroun ary i Wizboy avy any Nigeria. Ireo no vahiny mpanakanto nasaina ka efa tonga eto Madagasikara handray anjara amin’ny andiany faharoa amin’ny « Afromada Music Awards ». Nosokafana omaly, tetsy amin’ny Radisson Blu Hôtel ny hetsika, tamin’ ny alalan’ny fampahafanta­rana ireo mpanakanto […]

INDRAY MIJERY

« Miara-mientana isika hiady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza ». Io ny lohahevitra entina hankalazana ny “Octobre rose” amin’­ity taona ity. Eny amin’ny kaominina Bema­soandro Itaosy no hanaovana ny fanamarihana, ny 23 oktobra ho avy izao. Hisy fanentanana sy fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy, entina hanamafi­sana ny ady amin’ny homamiadan’ny […]

Fanorenana sy fanajariana ny tany : Hisy varavarana misokatra eny Avaradrano

Ao anatin’ny Iray volan’ny tanàn-dehibe isika izao. Man­kalaza izany ny eny amin’ny distrikan’Avaradrano, amin’ny alalan’ny varavarana misokatra izay hatao eny amin’ny kaominina Alasora, ny talata 20 okotobra 2026 ho avy izao. Hisy ny fizarana fahalalana momba ny fanajariana ny tany izay hampandrosoana ny tanàna. “Hampaha­fantarina ny mponina ny maha zava-dehibe […]

Tranon’ny mpianatra : Mitaky fitovian-jo ny Tesomia sy Sava-U

Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra Teraka Sofia mianatra ao Antsiranana (Tesomia) sy ny Sava-U mandranto fianarana ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Mitaky fitovian-jo eo fizarana ny trano fonenan’ny mpianatra ao amin’­io oniversite io izy ireo. Manana fikambanana 11 mivondrona ao anatin’ny fikambanana roa ireo mpianatra ary efa nihaona tamin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny […]