Auteur/autrice : Adnews

Angovo azo avy amin’ny rivotra : Am-perinasa ireo turbines 19 ao amin’ny Faritra Anosy

Niasa nanomboka ny volana jolay teo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rivotra voalohany eto Madagasikara. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny QMM sy ny Cross Boundary Energy (CBE). Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo madio ny tetikasa. Manamafy ihany koa ny vina apetraky ny QMM amin’ny fitrandrahana lovain-jafy. Ankehitriny, am-perinasa […]

FANTINA sy FINTINA

Vonona ho amin’ny fananganana tanàna vaovao ry zareo Ejypsianina. Noraisin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany , ny Jly Lily­son René de Rolland, tetsy Anosy, ny masoivohon’i Ejypta, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Voaresaka fa hiantoka ny vola sy ny fanatanterahana ireo hanao ny tetikasa ka tsy hisy ny […]

Fikaroham-bahaolana: Vonona hiroso amin’ny dinika politika ny RPSD

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pire­nena ny eo anivon’ny antoko RPSD. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Ur­bain, fa manohana tanteraka izao fitondrana izao izy ireo. « Ankasitrahinay ny ezaka tanterahin’ny Fana­vao­zana ny Repoblika, tarihin’ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël. Tohananay ny firosoana ho any amin’ny dinika politika ho fikaroham-bahaolana eto amin’ny […]

Mpitondra mahalala vahoaka

  Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisian’ny fitondram-panjakana. Tsy mety ho marin-toerana sy maharitra eo amin’ny toerany sy ny fahefany ny mpitondra, raha vao ratsy, toerana, amin’ny ny vahoaka. Araka izay hetahetam-bahoaka ve, ohatra, ny ataon’ny mpitondra? Na sanatria fiarovan-toerana fotsiny, na famalifaliana vahoaka, na […]

Ceni : “Azo tanterahina ny jolay 2027 ny fifidianana voalohany”

Tsy niandry ela. Namaly avy hatrany ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael avy hatrany ny eo anivon’ny Ceni, momba ny fifidianana. “Araka ny efa nambara hatramin’izay, ny 25 avrily 2027 no hofaranana tanteraka ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Vonona tanteraka ny lisi-pifidianana vaovao manom­boka ny faran’ny volana avrily 2027. […]