Auteur/autrice : Adnews

Mahajanga : tolotra vaovaon’ny CNaPS

Manome tolotra vaovao ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny fiahiana sosialy (CNa PS). Natao sonia, omaly, tany Mahajanga, ny fifanarahana eo amin’ny Foibe haino sy torolalana (CEO) ao amin’ny CNaPS sy ny toeram-pitsaboana Ziona Vaovao FJKM Mangarivotra, ny hopitaly loterana Antani­malandy (HLA) ary ny toeram-pitsaboana Fanantenana Kato­lika Tsararano Ambony. Tanà­na faharoa nanaovana […]

Famokarana mitodika amin’ny tsena: hampiakatra avo ny kalitaom-bokatra malagasy

Mampiroborobo ny taninketsa indostrialy ny fampitomboana sy fanatsarana ny voka-pambolena, indrindra ny famokarana mitodika amin’ny tsena eto Madagasikara. Hampifandray ny fikambanan’ny tantsaha mpamokatra amin’ireo se­hatra tsy miankina sy mpanodina ny vokatra eto Madaga­si­kara. Hampiakatra avo ny fa­mokarana mitodika amin’ny tsena (agribusiness) sy hampiakatra avo ny kalitao ny vokatra eto amintsika […]

Fiatrehana ny fetim-pirenena: nanome toromarika hentitra ny MDN

Tokony hisy ny fifandrindrana asa eo amin’ny rafitra mpibaiko sy ny mpanatanteraka, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa… Mamita iraka any amin’ny faritra Atsinana­na ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoari­jaona Josoa sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé, hotronin’ny lehiben’ny Eta­ma­zaoron’ireo […]

Fifanaraham-piaraha-miasa : harenina ireo TVM/RNM simba any amin’ny faritra

Maro ireo faritra sahirana amin’ny fahazoana ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM. Vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy, indrindra i Freddy, ny ankamaroany, any amin’iny faritra avaratra atsinanana ka hatrany atsimo atsinanana iny. Ankoatra ireo asa maika efa nataon’ny eo anivon’ny Ofisim-pirenena mi­sa­hana ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena (ORTM), izay […]

SÔRONGO 2023 : fantatra avokoa ireo mpanakanto

«Ambanja rendez-vous», hoy ny hiran’ny Dr JB. Fotoana ifanomezana tokoa ny «Festival Sôrogno” isan-taona. Nanatombo ireo mpanakanto handray anjara amin’ity. Anisan’ireo «festival» ankavitsiana tsy niato hatramin’izay nisiany ny «Sôrogno  any Ambanja. Antony iray mampipetraka ny lazan’ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena ity ny fiomanana mialohan’ny fotoana. 3 volana mahery alohan’ny fotoana […]