Notoloran’ny filohan’ny valanjavaboahary Zoo de Zurich any Soisa, taratasim-bola 100.000 dolara ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Entina hanamafisana ny fitantanana ny Faritra arovana (AP) any Masoala io vola io. Nomarihina ny 9 jona 2023 teo, ny faha-20 taona ny nananganana ny valan-javaboahary Masoala Kely any Soisa, […]
Auteur/autrice : Adnews
Delestazy : tonga ny solika mavesatra
Efa eny Ambohimanambola ary azo ampiasaina ny solika mavesatra avy any Toamasina. Tanteraka izany taorian’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny orinasa LPSA ary ny mpitatitra solika. Mbola mitohy ny fitaterana ireo solika mavesatra avy any Toamasina, ka hanomboka hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra […]
Fambolena potiky ny havandra : fanampiana ho an’ny tantsaha any Manandriana sy Fiaferana
Nidina tany Manandriana sy Fiaferana Avaradrano, ny sabotsy 10 jona teo, ny filohan’ny Antenimierandolona sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny tale jeneralin’ny orinasa STOI. Nitondra fanampiana izy ireo ho an’ny tantsaha tra-pahavoazana vokatry ny havandra farany teo. Nitaraina ny tantsaha any Manandriana sy Fiaferana fa potiky […]
Fanabeazana : nohatsaraina ny kalitaon’ny taratasim-panadinana
“Miroso araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fanadinam-panjakana eto amin’ny Nosy”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, raha nanontaniana, teny Andohatapenaka, ny sabotsy lasa teo. Nilaza izy fa nisy fanatsarana ihany nataon’ny fitondram-panjakana mandritra ny fizotry ny fanadinana amin’ity taona ity. Tanjona ny hanatsarana sy hampiakarana […]
Baka Manonilaza, Andranotsara…: efa an-taona maro tsy nandray karama ireo mpitatitra
Velon-taraina ireo mpiasa miandraikitra ny fampandehanana ny baka fiampitana amin’ ny reniranon’i Pangalana sy Mangoro fa tsy nandray karama intsony efa ho roa taona izao. Anisan’ny mampiampita amin’ny baka eo Manonilaza Razafimanjarimanana Zakaria. Ny volana jolay 2021 no nandray karama farany ireo mpiasa amin’ny baka. Ny karama volana novambra sy […]




