Notanterahina teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, afakomaly, ny dinikasa eo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo lehiben’ny fileovana “Prefet” manerana ny faritra notarihin’ny minisitry ny Atitany. Mazava ny toromarika tamin’izany. Anisan’ny nifanakalozana hevitra ny momba ny fanamby eo amin’ny asa mandritra ity taona 2025 ity. Anisan’izany ny hanatsarana hatrany sy hametrahana […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Noho ny tsiokan’ny talio, tombanana ho betsaka ny rotsakorana ho an’ny atin-tany sy ny faritra afovoany andrefan’ny Nosy. Nahazo filazana fampitandremana fahabetsahan’ny rotsakorana miloko mavo, manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy, ny faritra Menabe, ny distrika Morombe, Beroroha ary Ankazoabo. Fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Betsiboka, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ny […]
minisiteran’ny Mponina: Nanampy ny olona manana fahasembanana
Nanao fivoriambe ireo olona manana fahasembanana sy fampiatiana tao amin’ny distrika Fandriana, faritra Amoron’i Mania. Ho fankalazana ny tsingerin-taona niforonan’ny vovonan’ny olona manana fahasembanana sy ho fanohizana ireo ezaka fampiatiana azy ireo no tanjon’ny fihaonana. Ho fampiroboroboana ny maha olona, nanome tehina fotsy, seza misy kodiarana, fanamafisam-peo amin’ny sofina ny […]
FIZAHANTANY : Mahaliana ny Tiorka i Mahajanga
Nitsidika ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, ny Pr Randrianambinina Blanchard, ny profesora roa avy any amin’ny Université Afyon Kocatepe (Turquie) : Pr Pamukcu Huseyin (département de la gastronomie et de l’art culinaire) sy ny Pr Naim Karasekreter (département de la technologie de l’information), tamin’ity herinandro ity. Nambaran’ireo vahiny fa misy ny fiaraha-miasa […]
Mitovy amin’ny fisehoan’ny gripa : Mamely ny tsimokaretina HMPV, tsy atahorana hiteraka valanaretina
Nosokajian’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana ho anisan’ny antony mitarika ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika maneran-tany ny tsimokaretina « métapneumovirus humain » (HMPV). Mirongatra be ity tsimokaretina ity any avaratr’i Sina ary feno marary ny hopitaly ka nampitaintaina ny vahoaka any an-toerana. Na nitombo aza ny isan’ny olona marary tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana any an-toerana, […]