Nikarakara atrikasa momba ny “bipolarité” sy tohana azo atao amin’izany ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, afakomaly, teny Analakely. Nandray anjara ny mpitsabo saina sy ny olona efa miaina ny aretina. Ny 31 marsa ho avy izao no Andro maneran-tany natokana ho an’ny aretina “bipolaire”. Izay indrindra no antony nanosika ny fikambanana […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY NY KANTO
Hanao ahoana ny ho tohiny ? Vita sy tontosa soamantsara ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Nifanindran-dalana tamin’ny vanim-potoanan’ny Alahamadibe io fomba amam-panao io (Taombaovao Malagasy) tamin’ity taona 2026 ity. Hita taratra ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ireo mitonona ho mpivohy azy ireo sy ireo olona na vondrona na antokon’olona, sns, mpanaraka azy […]
Avelo-Nidor : « Nanamanitra ny Zarafanahy ny 21 marsa »
Volana marsa, fanatanterahan’ny Faribolana Sandratra ilay hetsika « Zarafanahy ». Ho an’ity taona 2026 ity, andiany faha-XIV no notontosaina tao amin’ny Cercle Germano-Malagasy GZ, Analakely ny 21 marsa teo. « Tafara-dia tamin’ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia izy tamin’ity taona ity. Hany ka vao mainka nanamanitra ny « Zarafanahy » ny nankalazana azy io, satria, […]
Mage 4 : Rakotra fitiavana Antsahamanitra
Ny ankamaroan’ny hira niainga avy eny an-tsehatra, hiram-pitiavana. Ny hafanana nomen’ny mpijery (nihira mafy, nifamihina…), nanam-porofo ny fifamatoran’ny fitiavana eo amin’ny samy mpijery sy eo amin-dry zareo sy ny tarika Mage 4, sns. Rakotra fitiavana Antsahamanitra. Hita sy tsapa izany nandritra ny fampisehoana notontosain’ity tarika ity, omaly. Fotoana nahitana fa […]
Sarimihetsika sy sarimiaina: Hisy fivoriambe mandritra ny telo andro
Somary nangingina tao anatin’ny taona maromaro ny tontolon’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina eto Madagasikara. Ho famohazana izany, hisy ny fivoriambe hifanakalozana, mandritra ny hateloana. Ho fanatsarana ny tontolon’ny sarimihetsika sy sarimiaina malagasy. Hanatanteraka fivoriambe ny mpisehatra, amin’ity herinandro ity. Hotontosaina eto Antananarivo mandritra ny telo andro izany. Hanomboka ny alarobia […]




