Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Hivoaka sy hampahafantarina anio alatsi­nainy na rahampitso talata ireo minisitra, ho mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny Praimini­sitra, Rajaona­rison Mamitiana. Natsidiky ny filoham-panjakana ny herinandro teo izany tetsy Anosy, tamin’ny fiatrehany ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty. Nijoro ireo manamboninahitra lefitra (Coso­fam) noho ny fanahiana korontana sy fifofoana aina eto amin’ny […]

KMF/Cnoe : “Fahadisoana bevava ny fandravana ny Ceni”

“Tsy mety ny fandravana ny Ceni. Hanimba zavatra be dia be…”. Izay ny valin-tenin’ ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix, teny Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, ma­noloana ny fitakian’ny fiarahamonina sivily sasany toy ny Hetsika Rohy ny tokony hanafoanana ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana. Efa dingana vita […]

Mbola matanjaka ny Antoko AVI : Vonona hampandroso an’i Madagasikara

Nampahafantarina tetsy Antsahavola ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan’ny tanoran’ny antoko Avi eny amin’ny boriborintany fahenina. Mivonona amin’ny fifidianana izy ireo. Nambaran’ny filoha na­sionalin’ny Avi, Andria­miharivolamena Zava­manitra fa nanana ny tanjany sy ny heriny ny antoko. Ani­san’izany ny fananana olom-boa­fidy maro, toy ny depiote, ben’ny Tanàna, mpanolotsaina, loholona. Efa nitantanana […]

Fotoana izao…

  Tena mila fanovana ny firenena? Na rafitra, na lalàna, na olona, na fomba fiasa… Tsy misy mpanohitra izany fa mpanohariana, raha ny nambaran’ny Praiminisitra vaovao. Iza tokoa no ndeha hanohitra fanavaozana? Fana­tsarana ho amin’ny mety sy tsara ary mahasoa kokoa no ho ny teo aloha… Lanja miakatra ny fiainana! […]