“Ny fifanarahana tokony hatao eto: tsy ekena intsony ny Tetezamita, na iza na iza mampiditra an’izay eto. Na eo amin’ny fitondrana io, na mpanohitra, na antoko tsotra, na firongon’antoko.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo Solonavalona. Fanambarana nataony manoloana ny fivoizan’ ny sasany fidirana amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Tohan-kevitr’ireo antoko miisa 10 : “Ho arofanin’ny mpanao politika ny fitsipi-pitondran-tena”
Nampitovy tadin-dokanga tetsy Ankadifotsy, omaly, ireo antoko politika miisa 10, momba ilay satan’ny fitsipi-pitondran-tena niarahana amin’ny FES sy ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE). Hiditra amin’ny dingana manaraka ny rehetra aorian’izao. “Ho arofanina eo amin’ny mpanao politika io sata io. Ambony kokoa ny toe-tsaina miaraka amin’izany noho ny lalàna. Fahatsapan-tena […]
Zandary tsy hita : vatana mangatsiaka sisa natsingevan’ny rano
Efatra andro aty aorian’ny nanjavonany, vatana mangatsiakan’ilay mpianatra zandary sisa hita, omaly. Tsy hita nanomboka tamin’ny sabotsy izy. Nampiahiahy ireo mpiray andiany taminy ny tsy fahitana azy. “Nihazakazaka nanao ny 8 km mahazatra izy ireo ny marain’ny sabotsy teo”, hoy ny kaomandin’ny sekolin’ny zandarimaria. Rehefa nifarana ny hazakazaka, tsy tonga […]
Tan-dalàna
Tsy mbola mifarana akory ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana momba ny raharaha vono olona tany Lalazana ambony ka nahafaty ireo mpanao aferam-bato telo mirahalahy, 10 andro lasa izay. Mbola hisy ny fisamborana andiany faharoa, hakana ireo nandray anjara kanefa nitsoaka rehefa nanao bemidina ny mpitandro filaminana. Miandry ny datin’andro handehanan’ny fitsarana […]
Fitsaram-bahoaka: Depiote iray voampanga!
Olona 47 tamin’ny 107 nosamborina no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony. Tafiditra ho anisan’ny voampanga ny depiote iray. Niakatra teo amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha momba ny fitsaram-bahoaka tao Lalazana Ambony, afakomaly. Nitohy hatramin’ny omaly maraina be izany ka 47 tamin’ny olona […]




