Natao sonia, ny zoma 2 jona teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagasikara sy ny fikambanana «10.000 codeurs». Mifantoka amin’ny fanofanana informatika maimaimpoana ny tanora malagasy ny fifanarahana. Tafapetraka ny tetikasa taorian’ny fihaonambe faha-12 ny fiovana mankany amin’ny niomerika aty Afrika (ATDA). Nilaza ny tale jeneraly lefitry ny Airtel Madagasikara, […]
Auteur/autrice : Adnews
Angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro: manomboka amin’ny 10.000Ar ny kit anti-delestage
Miroborobo ny varotra an’ireo kit anti-delestage hatramin’ny niandohan’ny fahatapahan-jiro lavareny. Misy fotoana tsy maharaka ny entan’ireo mpivarotra. Anisan’ny tsena nahazo vahana tao anatin’ny andro vitsy ny varotra ireo karazana kit anti-delestage enti-miatrika ny fahatapahan-jiro isan’andro. Miroborobo fatratra ny tsena. Manomboka amin’ny 10.000Ar ka hatramin’ny 300.000Ar ny vidin’ny kojakoja mandeha amin’ny […]
Ady amin’ny herisetra (VBG) : mahomby ny fametrahana ny vondron-dehilahy
Nametraka tetikasa ho fisorohana sy fandraisana an-tanana ny olona niharan’ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG) eto Madagasikara ny Royaume de Norvège sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (Unfpa). Nanomboka ny desambra 2019 hatramin’ny volana jona 2022 no nanatanterahana izany, noho ny fahatsapana fa nirongatra be ny […]
Toetry ny andro : hiakatra ny maripana eto afovoan-tany
Ao anatin’ny telo andro manaraka, ny tsioka malefaka miovaova no mandrifitra ny toetry ny andro manerana ny Nosy. Any avaratra Atsinanana ihany no hahazo vahana ny tsioka alizay mitondra orana. Hisitraka izany ny any Analanjirofo, Atsinanana…, hoy ny teknisianina eny Ampandrianomby, omaly. Noho ny fisian’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy,ho maimaina […]
Fanajana ny tontolo iainana : ampiana hanodina ny fako ny tanora
Mbola tsy vitan’ny Malagasy ny mikarakara ny fako miparitaka eto Antananarivo. Manampy ny tanora hanodina sy hampihena ny fako ny Crs Madagascar manoloana izany. Notanterahina tetsy amin’ny Université catholique de Madagascar (Ucm) Ambatoroka, ny tetikasa: “change makers”. Hetsika nokarakarain’ny Catholic relief services (Crs), niaraha-niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy. Nandraisan’ny tanora mpilatsaka […]




