Vono olona efa nomanina no niseho tany Lalazana, hoy ny fianakavian’ny maty. Miangavy ny fanjakana mba hisambotra ny depiote, ny Kly Martin, izy ireo. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavin’i Dawilly, ilay mpandraharaha vatosoa, matin’ny fokonolona tany Lalazana, kaominin’i Soahindrana, distrikan’i Vohibato, ny sabotsy alina lasa teo. “Mbola sahirana tamin’ny fikarakarana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanalam-baraka tamin’ny “Facebook” : hanokatra fanadihadiana ny zandary
Niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, ny fisiana resaka an-tsoratra tamin’ny finday niparitaka nifanaovana vehivavy sy zandary iray. Voalaza ho tsy nahazo ilay tovovavy ilay lehilahy ka nanao vava taminy. “Miasa any amin’ny toerana tsy misy “réseau” iny zandary voalaza anaty tambajotran-tserasera iny ka tsy azo inoana ny fahamarinan’ilay tranga”, […]
Acmil Antsirabe : zazavao 107 naseho ambany faneva
Tontosa ny fanolorana ambany faneva ireo miaramila zazavao miisa 107 mirahalahy avy amin’ny antokon-taona 2022/2, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, afakomaly. Nahavita fiofanana fototra ara-miaramila na ny « FETTA » nandritra ny telo volana izy ireo. Haharitra roa taona kosa manomboka eto ny fanompoam-pirenena miandry ireto miaramila zazavao ireto. Maneho sahady ny […]
1 hetsy Ar ny iray grama… : vehivavy iray tratra teo am-pivarotana rôrô
Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny Antohomadinika Atsimo IVO, afakomaly atoandro, ny vehivavy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika. Efa tsikaritry ny polisy miasa ao amin’ity sampana ity ny fisian’izy io. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nanao ny fanaraha-maso ka voamarina […]
Ivato : mpandroba nikasa hanendaka mpanao Cash point
Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nikasa handroba Cash point, tetsy amin’ny fokontany Androndrakely, Ivato, ny 31 mey teo. Narahin’ity jiolahy ity maso ny mpiasa amina Cash point iray handeha hody. Tsy naharaka na inona na inona, araka izany, ilay nitondra ny vola. Poa toy izay, nofaohin’ilay tsy mataho-tody ny […]




