“Faritra fito ankoatra an’ Antananarivo no vita fanaraha-maso. Ny hita: betsaka ny lesoka ao anatin’ny lisitry ny mpifidy eny ifotony”, hoy ny mpandrindra ny Hetsika fampiraisana kristianina ho an’ny firenena (HFKF), Randrianasolo Tiana Arimino. Maro amin’ireo mpikambana midina eny anivon’ny fokontany. Tsy nanentana ny mpifidy hijery fotsiny ny anarany izy […]
Auteur/autrice : Adnews
Antoko MHM : “Ilaina ny fifampidinihana”
“Tena ilaina ny fifampidinihana, indrindra amin’izao akaiky fifidianana izao”, hoy ny filohan’ny Madagasikara ho an’ny Malagasy (MHM), Andriamiarisoa Daniel, momba ireo antoko politika folo nampanantsoin’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES) miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina nanao fifanarahana fitsipi-pitondran-tena. Mampanahy ny mety hisian’ny korontana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Na ny lalàm-pifidianana […]
Vondrona Panorama: “Mila jerena ny lalàm-pifidianana”
“Misy andininy maromaro tao anatin’ny lalàm-pifidianana no nesorina. Tsy nifampierana tamin’ny fahefana mpanao lalàna izany. Tsy asan’ny HCC ny manao lalàna. Nefa nataony izany tamin’ny 2018. Tokony hojerena izany ny lalàm-pifidianana.” Izay ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Vondrona Panorama, ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier. Mila jerena ny lalàm-pifidianana, satria […]
Fitsipi-pitondran-tena: hanao sonia fifanarahana ireo mpanao politika
Tsy hikombona ary mbola hisy fihaonana manaraka. Nambaran’ny loharanom-baovao iray ary nohamafisin’ireo mpanao politika fa tsy misy idiran’ny Tetezamita sy lalàm-pifidianana ilay sata ho an’ny fitsipi-pitondran-tena, iarahana amin’ny FES. Hosoniavina ny 20 jona ny fifanarahana, saingy ialohavan’ny fakan-kevitra hatramin’ny 16 jona izany. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain, anisan’ny niatrika […]
Ilaina ny fitandremana
Vaovao mbola mahasarika ny sain’ny maro ny mahakasika ireo telo lahy, namoy ny ainy tany Fianarantsoa, ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa mpanao aferam-batosoa, voasoloky sy voafandrika ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Mazava ny filazan’ny fianakaviana fa mpisoloky avo lenta sy tambajotran’olon-dratsy manerana an’i Madagasikara no ao ambadiky ny raharaha. Betsaka ny […]




