Auteur/autrice : Adnews

Andranomaimbo Antsirabe : dimy lahy mpaka trondro nosamborina

Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ataon’ny polisy ireo dimy lahy tratra naka trondro tao amin’ny farihin’An­drano­maimbo, Antsirabe. Mampi­taraina ny vahoaka sy ny manodidina ny fiparitahan’ ny trondro maloto avy ao amin’ity farihy ity. Tsy hay ny manavaka izany amin’ny trondro madio noho ny fikarakarana ataon’ireo mpaka azy mialoha ny hivarotana. […]

Mitsindrona «héroïne»: lehilahy iray voasambotra

Mpitsindrona zava-ma­ha­­domelina mahery vaika «hé­roïne» voasambotry ny polisy tetsy Antsalovana, afa­komaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina, tra-tehaka teo am-pitsindronana izy. Tovolahy 23 taona ity voasambotra. Niaiky ny heloka izy. Nilaza tamin’ny mpanao famotorana fa efa am-bolana maro no niankin-doha tamin’ ny zava-mahadomelina. Karohina ny namany, voalaza fa mpividy izany. Tra-tehaka […]

Nirefodrefotra ny basy: nifampitifitra ny zandary sy ny jiolahy teny Ambohidratrimo

Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary, tetsy Sabotsikely Ambohidratrimo, omaly maraina. Nikasa hanafika tokantrano ny olon-dratsy no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy tao amin’ny fokontany Sabo­tsikely, kaominina Ambo­hi­dratrimo, omaly, tamin’ny 1 ora maraina. Maty voatifitra ny jiolahy iray. Tavela […]