Auteur/autrice : Adnews

Fivoriana eny Tsimbazaza : nahanjahanjan’ny depiote ny tatitr’ireo minisitra

Tsy fifanomezan-kasina sy lonilony mbola mitoetra ? Vitsy ny depiote manatrika ny tatitr’ireo minisitra isan-tokony, mifandimby eny amin’ny Antenimiera, Tsimbazaza. Tsy hita popoka hatramin’ny mpanohana ny fitondrana. Miisa 4, 10, 18 na mihoatra kely ireo depiote hany manaraka ny tatitra ataon’ireo minisitra, nanomboka, afakomaly. Miisa 48 ireo betsaka indrindra tamin’ny […]

Jly Rakotoarijaona Josoa : “Taninketsan’ny Foloalindahy ny Semipi”

Miavaka raha samy sekoly fanofanana miaramila ny sekoly miaramilam-pirenena na Semipi izay nankalaza ny faha-100 taonany tao Be­ra­vina – Fianarantsoa, omaly. Taninketsan’ny foloalindahy malagasy ny sekoly, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jly Rako­to­arijaona Josoa. Tsy fanofanana fotsiny. “Mamolavola olom-pirenena vanona eo amin’ny fomba fisainana ha­tramin’ny fitondrantena”, hoy izy. Notoloran’ny […]

Tora-bato avy any an-danitra

Tratry ny tampoka, tsy nahalehilahy ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly atoandro.  Lanitra mazava, masoandro miposaka nosembantsembanan-drahona madinika nanamarika ny volon’andro ririnina. Tsy rony tsy ventiny, nirotsaka tampoka ny orana natevintevina, namorona fitohanan’ny fiarakodia teto ampovoan-tanàna. Nivadika ho kotro-baratra tsy ankijanona mandrak’alina. Nampiitatra ny fahatapahan-jiro lavareny na ny […]

Filoha Rajoelina Andry : nahavita be ny fitondrana !

Niara-nanamarika ny faha-100 taona ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi), Fianarantsoa, ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo fianakaviamben’ny Foloalindahy, omaly. Nasongadiny tamin’ny lahateniny tamin’izany ny ezaka vitan’ny fitondrana. Mivahiny any Fiana­ran­tsoa nanomboka omaly, mitohy anio ny delegasiona tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Nitarika ny lanonana fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Sekoly miaramilam-pirenena na […]

Misoloky Cash point : lehilahy voasambotra, mody alefany “sms” ny anarany

Mahita hirika hatrany! Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avolenta amin’ny Cash point. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria, boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo izy, tamin’ny talata atoandro teo. Naharay fitarainana mo­mba ity lehilahy ity ny polisy. Mpisoloky efa malaza ratsy eny an-toerana. Voa­la­zan’ny […]